Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 16h32
 

Répondre à un commentaire

8 décembre 2017 à 09:54 | lysnorine (#9752)

@ Vohitra, 7 décembre à 12:05
« Dia ilaina ny PNUD sy ny FFE ve ny fitaizana sy ny fanarenana ny fiarahamonina Malagasy ? dia ilaina famatsiambola vahiny ve ny famerenana indray fanabeazamboho ny taranaka sy famomezankasina ny soa mendrika hotoavina nolovaina tamin’ny razana sy ireo raiamandreny fahiny namolavola fianakaviana vanona ? TSI, TSIA, TSIA

Foano ary ATAOVY FONGANA amin’ny ara-dalàna IREO TSY MATY MANOTA dia izay no fanombohana amin’ny fanitsiana. TOMPOMARIKA FENO SY TANTERAKA amin’izany ny OLOMPITSARANA manan’andraikitra. [izay ILAINA HOFAIZIN’NY FITSARAM-BAHOAKA aloha... mialoha izany.]

Mifameno amin’ireo voalazanao ireo izao famelabelaran-kevitra izao :

« Intsy sy Nday : MBA MENATRA ry zalahy a ! »
Gazetin’ny nosy, 07 décembre 2017,
http://www.lagazette-madagascar.com/2017/12/07/intsy-sy-nday-mba-menatra-ry-zalahy-a/

« Rehefa ny olona iray no MIANKIN-DOHA amin-javatra iray na amin’olona hafa na amin’ny rafitra iray dia tena MANAIKY HOHANDEVOZIN’iny IANKINANY . Tamin’ny andro fahiny, ny andevon-kanina no tena manala baraka teo amin’ny fiaraha-monina malagasy satria VARY IRAY LOVIA NO ANEKENAO NY FANANDEVOZAN’NY OLONA MIANTOKA HO ANAO INY VARY IRAY LOVIA INY.

« TSY MISY VALAKA AMIN’IZANY NY MPISEHATRA PÔLITIKA MALAGASY MARO [mbany ny MPITONDRA FANJJAKANA sy ny MPANAO FANJAKANA AMBONY] amin’izao taona arivo fahatelo izao. Ilay TOE-TSAINA MIANKIN-DOHA AMIN’NY ANY IVELANY NA AMIN’NY VAHINY [isaky ny mihetsika ary na amin’inona na am in’inona] no mahatonga an-dry zalahy mpisehatra pôlitika malagasy sasany ireny TSY HAHALALA MENATRA INTSONY fa dia MANAOTAO FAHATANY .

« Omaly alarobia ohatra izao dia nikarakara atrik’asa momba ny “etika pôlitika” sy ny “ady amin’ny kolikoly” ho an’ny mpisehatra pôlitika malagasy tetsy amin’ny trano fandraisam-bahinin’i Colbert ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (Pnud) sy ny fikambanana alemanina “Friedrich Ebert Stiftung” (Fes).

« Ny tanjona tamin’izy io, hono, araka ny nambaran’ny mpikarakara dia ny fitondrana anjara biriky amin’ny fandrafetana ny demokrasia eto Madagasikara, mba ho pôlitika madio no hampiharina eto amin’ny firenena.

« Dia kinga sy nihazakazaka ary MAILAKA TOA AKOHOKELY MAHITA REHOKA, sanatriavin’ny vava ireo MPISEHATRA PÔLITIKA manaiky HAMBANIAN’ny vahiny. Isan’ireny i Marc RAVALOMANANA, RAMANANTSOA Ramarcel Todisoa (Mts), ny sekretera jeneralin’ny Psd ; Eliana BEZAZA , sy ny hafa…

« Dia resaka “etika pôlitika” sy ady amin’ny kolikoly ve no iankohofana amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ? FANALANA BARAKA NY TENA izany e ! [...]

« Endriky ny FAMPIDINANA HO AMBANY ny hasin’ny fanaovana pôlitika eto Madagasikara ny FANASINANA atrikasa toa ireny omaly ireny e !
Rainisoa ».

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS