Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 12h06
 

Répondre à un commentaire

15 septembre 2017 à 09:30 | I MATORIANDRO (#6033)

Tena misy sefo tokoa eto madagasikara fa tsy mahatapak’ahitra ary tsy misy mihaino !

hevitra tsotra fotsiny no atoro reto olona lelafin-dramboadia reto de hoe ataovy dingan-dava otran’ny nataonerao t@ andininy 45 io d’efa izy fa tsy ilaina fitsapan-kevi-bahoaka zany !

Efa nolazaiko ombieny ombieny fa ny vorondolo tsy hiteraka voromanga na oviana na oviana !
Ny tsilo tsy hamoa voaloboka mandrapahafatiny ; ny fozaorana tsy hikotrika atsantsa velively !

Ty sefo natsangan’ny domelina taoa anaty hala-bato bevata ty dia tsy hanao afa-tsy ny fampandehanan-draharaha ankapobeny fotsiny sy hangoro-karena ho an’ny vady aman-janany sy ny fianakaviany satria olona zatra nobaikon’i domelina izy kanjo nony tonga tampotampoka teo @ fitondrana dia tsy mahiata afitsoka velively fa mitsapatsapa sy mibadabada.

Tsy maintsy fitsapan-kevi-bahoaka sisa no faralahin-kevitra hitan’reto olona mievotrevotra reto mba handaniam-bola raha ny tokony ho fifidianana mialohan’ny fotoana no tokony ataony !

Tsy misy afa-tsy ny fanomezan-tsiny izay olona nodombiasiny teo aloha fona no mba fialan-tsiny heno @ ty olona tongatonga ho azy ty !

Mba mati-k’ambo ery ny anao lahy milaza hoe aleo ataonay ny fikarakarana ny raharaham-pirenena kanefa efa hita zao fa tsy hain’izy mianakavy le raha.

Antsoina daholo zao olona lany daty sy tsy fanta-pihaviana rehetra zao fa eeeheh !

Averina ndray reo efa naloan’ny vava fa ooohoh !

Milaza ny mpitondra fa mila filaminana ny firenena kanefa raha ho raikitra tokoa ty fitsapan-kevi-bahoaka ty de ry zareo ihany no tena rangory ho fototry ny afao @zay mety hitranga mialoha, mandritra sy aorian’o fitsapan-kevi-bahoaka io !

Mbola mamporisika ihany aho hoe tsapao ndray ary aloha ny herinareo @ ty ndray mitorka ty de ho hita eo ny tohiny !

Tsapatsapa vody io ka ...

Samia velonaina !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS