Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 11h51
 

Répondre à un commentaire

9 septembre 2017 à 10:19 | manga (#6995)

Ny tena mampiahy ahy dia angamba sahala ny nahazo an-dRadeba tamin’ny fotoan’androny.
Dia nidoka tena ny havako fa niakatra hono nt harin-karena ; ka dia notolorana mari-boninahitra ho mpianatra mendrika hono nefa dia ny mpitantam-bola iraisam-pirenena ihany no nanongana azy teo.
Ny fanontaniana mipetraka dia ity : Ny tantaran-dRamiraly ihany ve ny an’ity indray mitoraka ity ?
Ny tena loza mantsy dia ny fahaizan’ireo mpitantana ankehitriny mandrirarira ireo mpampindrana mahazatra amin’ny fitadiavana loharanom-bola hafa ivelany ; ary izay tsy mifanaraka velively amin’ny tombon-tsoany manokana ka dia eo no mety azo ilazàna ihany koa fa mety ho karazan-doka hamingana koa izao fihetsika « mahavelom-bolo » izao.
Ny FEC ary araky ny fahazoako azy dia tsy milaza velively ho mariky ny fatokisana amin’ireo mpitondra antsika satria na ny vola aza dia atao anatsaràna ny ifotony fa tsy iandraiketanin’ny governemanta mivantana.
Raisina ohatra mazava mitohaka amin’ny tendany ny mikasika ny OMS izay nanambara ampahi-bemaso fa miohatra ny 70% (raha ny fitadidiako) no fampiasam-bola nivoaka tsy voamarina.
Ka dia nalaina ny zaza tsy manan-tsiny tsy notiliana akory ka namosaviana tamina fanafody anisany tena mahery vaika indrindra ka nentina ilazàna fa nandeha tany hono ireo vola ireo.
Ka dia notsipahan’izireo marindrano fa tsy tafiditra tamin’ny anisan’ny fandaharan’asa izany ka tsy mitombina ny filazan’ny mpitondra.
Dia ny vola entina ampandrosoana ny fahasalaman’ny zaza ve no sahin-dreo ahodina vao maika fa zavatra hafa ?
Dia mahasahy milaza ve isika fa tsy fantatry ny BM sy ny FMI io toe-draharaha io ?
Sao dia ny tenako ary no tsy nifoha tamin’ny tori-masoko ka mirediredy foana...

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS