Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 14h56
 

Répondre à un commentaire

7 septembre 2017 à 08:27 | lysnorine (#9752)

@ 5 septembre à 12:20 | LE VEILLEUR
1°-« avons nous un PRM aveugler par l’argent et qui ne voit que le bout de son nez ? »

Tsy izy irery ihany kosa fa ny mpitondra fanjakana, sy ny mpanao pôlitika ary ny antoko mpanao pôlitika rehetra. mbany ny fikambanana forongony Tsy mbola nahare izahay fa nisy ministra niala tao amin’ny governemanta noho ny tsy fankasitrahany ny hadalana be vava sy fahaketrahana tsy manam-paharoa toy io. :

« Grande île : Des réfugiés syriens à Madagascar
06 sept. 2017 11:00
http://www.r1.mu/actu/regionale/des-refugies-syriens-a-madagascar-p288755
« Selon des sources bien informées, relate le journal en ligne, les dirigeants du pays auraient conclu un ACCORD AVEC LA TURQUIE pour l’accueil de refugiés syriens. Mais jusqu’ici, l’ON NE SAIT PAS COMBIEN d’entre eux feront le déplacement vers la Grande Ile.

« Il est aussi stipulé que des infrastructures destinées à l’accueil de réfugiés syriens vont être mises en place dans une commune rurale a Madagascar située a Antananarivo. Ce qui n’est pas au gout de tous. « Alors que de NOMBREUX MALGACHES SONT SANS-ABRIS et DORMENT , le régime choisit de PRIORISER la construction d’un village d’accueil pour les réfugiés » ,écrit le journal.

Tsy mbola nahare feo koa izahay avy amin’ireo prezidàn’ny Repoblika taloha, lanim-bahoaka, Atoa isany Zafy Albert, Ratsiraka Didier, ary Ravalomanana Marc, maneho ny FANOHERANY izao fifanekena mamohehatra izao fa toa mifori-drambo fotsiny izy ireo. Ary ahoana moa no tsy mba nanaovana FIADIAN-KEVITRA mialoha tao amin’ny Antenimieram-pirenena sy tao amin’ny Antenimieran-doholona ny FIKASAN’ny prezidàn’ny Repoblika sy ny governemanta hanao fifanekena tahaka an’io ? Tsy tokony havelan’ny depiote sy ny senatera manaonao sonia foana fifanekena tahaka izao ny governemanta RAHA TSY NAHAZO ALÀLANA avy aminy AORIAN’NY FIADIAN-KEVITRA ny momba azy HATRAMIN’NY ANTSIPIRIANY rehetra.

Tsy mbola nahare fanambarana FANOHERANA sy FITSIPAHANA izany fifanekena MAIZIMAIZINA sy ANKATAKONANA izany koa izahay avy amin’ny depiote na senatera. Kanefa ny pôlitika kitoatoa, mavesa-danja, toy izao no TENA TOKONY hampiasain’ny solombavam-bahoaka ny andiny faha-103 ao amin’ny Lalàm-panorenana hanehoany ny tsy fankasitrahany azy « amin’ny alàlan’ny latsa-bato fitsipahan-pitokisana » (« motion de censure »). Dia hiavaka tsara amin’izay latsa-bato izay ny mpiaro ny sarambaben’ny Malagasy, mitsimbina ny tombon-tsoany, etsy an-daniny, sy ny mpanosihosy sy mpamadika azy etsy an-kilany, toy ilay hanavahan’ny mpiandry ondry ny ondry sy ny osy voalazan’ny Baiboly kristianina, « rahefa tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, miaraka amin’ny anjely rehetra » amin’ny fitsarana farany. (Matio 25 : 31, 32).

2° « Le Président turc Erdogan a-t-il l’intention d’appliquer un plan “secret” équivalent au “Plan Madagascar” Nazi version djihadiste ? [...]
« Le Turkish airlines sera–t-il utilisé pour “deporter touristiquement” à Madagascar, une bonne partie des 50 à 250.000 djihadistes que ne veulent pas la Turquie sur son sol pour cause d’incompatibilité avec leur “civilisation” ?
Tsy vinavina intsony izany ankehitriny ! Koa andraikitra lehibe no miantsoraka amin’ny solombavambahoaka sy ny loholona mbany ny mpanao pôlitika mbola tsy maty eritreritra tanteraka amin’ny FANOHERANA hatramin’ny farany io fifanekena io sy ny fanatanterahana azy, miaraka amin’ny vahoaka tsy vaky volo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS