Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 14h31
 

Répondre à un commentaire

11 août 2017 à 11:21 | Eloim (#8244)

Feon-dakolosy fanairana ny mpitondra izao hetsika fampahafantarana ny andraikitra tandrifin’azy avy dia ny rantsa-mangaika rehetra eto amin’ny firenena, ny mpitondra isan-tsokajiny isan’izany ny mpitandro ny filaminana ary koa ny vahoaka tsy mandady harona ny amin’ny fanajana ny MAHA-OLON’AFAKA ny tsirairay ary MANAN-JO haneho ny maha izy azy mifanaraka amin’ny lalàna velona eto amin’ny firenena.
Tsy voahaja anefa izany noho ny fitondrana tsy refesi-mandidy mitondra ankehitriny. Hany ka adika ho fanakorontanana sy fanonganam-panjkana avokoa izay rehetra hetsika miseho, na antoko politika io na sendika na koa fikambanana samihafa. Ny antokon’ny fitondrana kosa nefa etsy andanin’izany migalabona manao izay tiany na mahazo alalana avy amin’ny mpitondra eo an-toerana na tsia. Dia laroina fitokanana sy hetsi-panjakana samihafa izany mba ahafahana mampiasa ny fitaovam-panjakana sy andaniana koa ny volam-panjakana.
Azontsika lazaina ary fa maka bahana sahady amin’ny fanomanana fifidianana izy ireo amin’izany. Inoantsika nefa fa tsy miafina amin’ny vahoaka malagasy izany teti-dratsy enti-mandemy ny antoko hafa mpifanandrina aminy izany, hany ka tsy matoky tena sy tsy mahatombo-tsiraka amin’ny fitantanam-panjakana ry zareo (fanesorana tompon’andraikitra ambony, fametrahana ny sakaiza hanana toerana ambony koa, ...). Hany ka lany andro manombok’asa sy mandrafitra antanan-tohatra isan-tsokajiny eo amin’ireo departemanta samihafa izy ireo. Herintaona mahery kely ange sisa dia ho tapitra ny fe-potoana hiasan’izo filoha am-perin’asa izao nefa dia mandany andro « MANDRAVA dia MANANGANA » tokoa araka ny lahateniny tamin’ny fotoana nanaovany fianianana teo Mahamasina izany.
Sahiran-tsaina nefa ireo zanaky ny firenena mila ravin’ahitra any ivelany ankehitriny raha mitaky ny zony mba hanana anjara-masoandro hifidy izay ho mpitondra azy. Maro no tonga eto an-tanindrazana hanatanteraka ny fihaonam-be ato ho ato kanefa ny ankamaroanay dia tsy marisika amin’io fihaonam-be io satria efa mahatsapa sahady fa tsy ady hevitra no hatao ary hanatsoahana tsoa-kevitra matotra mikasika ny sata ny teratany malagasy mpila ravin’ahitra fa efa misy lasitra atao tari-kevitra andahatsaham-bato. Tsorina fa hiala sasatra an-tanindrazana no tena anton-dian’ny maro afa-tsy ireo nahazo hafatra manokana avy amin’ny fitondram-panjakana TOA hitarika izao fihaonana izao. Inoana fa tsy hisy TERITERY ary higoka ny maha olon’afaka azy kosa ny tsirairay amin’izany. Amiko dia ny fanohizana ny hetsika ho fanampiana ny mpiray tanindrazana no tokony himasoana ampiakarana ny fari-piainan’izy ireo sao amntsy mihosina amin’ny kilalao politioka maloto ifanjevoana sy ifanapotehana eto amin’ny firenena.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS