Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 14h14
 

Répondre à un commentaire

10 août 2017 à 11:25 | Eloim (#8244)

Itony lahatsoratra itony no milaza fa kilalao maloto ny fanaovana politika eto Madagasikara. Toa zary lasa sehatra ifanapotehana eo amin’ny samy mpikatroka an-daniny sy an-kilany. Satria tokoa ve nanefa ny saziny ny mpanefoefo mpomba ny fitondrana dia hitadiavana irika koa ny an’ny an-kilany ?
Efa im-betsaka teto isika no nanambara fa ny tiana ahatongavana amin’izao endri-disadisa izao dia ny mba hanakanana amin’ny fomba rehetra ny tsy filatsahan-kofidiana eo amin’i Ra8 sy Andry TGV. Saingy tsy mety tanteraka ilay vela-pandrika ka ny manodidina indray no hidiran’andro an-kolaka.
Hazo avo halan-drivotra itony rangahy itony ka irika kely monja dia ahafahana mipaingotra indrindra ny lazany iraisam-pirenena efa manentoento amin’ny maha-pandraharaha avo lenta azy.
Fanontaniana iray ihany no nanitikitika ahy tamin’ity rangahy ity dia hoe : nahoana no ny tale jeneraly tao amin’ny orin’asany ny tafiditra am-ponja tamin’ny raharaha bolabola fa izy izay nodradrain’i Tangalamena Zakariasy afa-maina ka ny « mpitory » indray no tafiditra am-ponja ?
Matoa tonga amin’izao fisavana trano ary ny raharaha dia ao raha sady efa « mpisakaiza » rahateo ary mifankafantatra tsara ny mpitondra ankehitriny sy ity rangahy ity, hany ka mora ny mitady ny fomba rehetra hanasoketana azy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS