Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 23h23
 

Répondre à un commentaire

10 août 2017 à 11:35 | Eloim (#8244)

NY fanontaniana apetrako dia tsotra : ny fanoloana olona ve efa « MBA » nahavaha-olana teto amin’ny firenena ? Marina fa ilaina dia ilaina tokoa ny hoe manana ekipa mpiara-mikatroka hamondronana ny hery sy ny fahaiza-manao saingy raha hita kosa fa nahomby tamin’ny asany ary mahitsy sy madio fitantana ny teo aloha dia ilaina ve ny fanesorana azy teo amin’ny toerany ?
Amiko dia tsotra, tsy ny Minisitra velively no afaka manova fahatany ny mpiara-miasa aminy fa ny mpitondra ambony ihany. Dia lasa halako bika tsy tiako tarehy ve no misy eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana ? Satria ireo tokoa no ekipa niaraka tamin’ny Minisitra teo aloha nametra-pialana noho ny « ANTONY » tsy dia mbola mazava loatra amin’ny valalabemandry ? Ny fanoloana ny Sekretera Jeneraly aloha tsy asiako resaka fa raha tale jeneraly kosa amin’ny sampan-draharaha manokana iankinan’ny ain’ny firenena no anaovana indroa miditra dia efa kilalao politika hafa no tiana ahatongavana.
Taratra koa nefa izao fa matoa misy fiovaovana be tahaka izao ny mpitantana isan-tsokajiny dia misy raha tsy mandeha ao. Mety mikatso mihitsy aza. Porofo izao tsy fisian’ny fivoarana eo amin’ny fiainan’ny sarambabem-bahoaka izao, tototry ny fahantrana tanteraka.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS