Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 16h38
 

Répondre à un commentaire

9 août 2017 à 16:37 | Eloim (#8244)

Marina dia marina tokoa ny lohateny nomen’ny mpanoratra ity lahatsoratra ity.
Maro be ny lalàna nankatoavina teo anivon’ny Antenimieram-pirenena sy ny Senat fa maro amin’izy ireny koa no haingom-boky fotsiny satria tsy ampiharina na iniana tsy hampiharina sao dia mahasarongotra ny tena na manelingelina ny fanefan’ny tena ny andraikitra sahanina (?).
Efa ela dia ela no nahalalàna ny fisian’izany lalàna momba ny famatsiam-bolan’ny Antoko politika izany saingy toa zary teksta mihidy anaty tiroara fotsiny ihany. Misy fiatraikany be io fanaovana hodian-tsy hita io lalàna io satria tsy ho araka intsony ny loharanom-bola sy ny lalan-kalehany ananan’ny kandida tsirairay avy. Marina fa misy ny SAMIFIN sy ny BIANCO kanefa ho sarotra be ny hanara-maso ny fivezivezen’ny vola amin’izany indrindra moa mandritra ny fampielezan-kevitra.
Maneno ary ankehitriny ny feon-dakolosy ataon’ny fiaraha-monim-pirenena mba hitovian’ny tomban-kery hiatrehina ny fifidianana dia tsara ny handinihana ny hanarahana izay voalazan’izany lalàna izany.
Raha izao toe-java-misy eto amin’ny firenena izao izay anjakan’ny hasemporana vokatry ny rivotra misafotofoto eo amin’ny tontolo politika indrindra ny tsy fanomezan-daka mihitsy ny mpanohitra ny fitondrana dia mbola ho sarotra ny hanomezan-danja izany lalàna izany. Ny antoko eo amin’ny fitondrana rahateo manaram-po amin’ny fampiasana ny fitaovam-panjakana sy ny volam-panjakana enti-mambabo ny vahoaka mpifidy amin’ny alehany rehetra (fitokanana etsy sy eroa, fanamarinan-tena izay tsy izy, fialazana ho tompon’ny fahamarinana sy ny rariny, ...).
Dia ho hitantsika eo ary ny mety ho tohin’izany rehetra izany na dia efa manomboka miha-maro aza ny misora-tena fa hilatsaka ho fidiana amin’izany fifidianana ho avy izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS