Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 20h31
 

Répondre à un commentaire

7 août 2017 à 16:40 | Eloim (#8244)

Manaitra ihany ny mahita itony lahatsoratra itony. Efa in-droa izay ny tenako no nanamarika fa samy mandray ny tandrifin’azy avy ireo mpisehatra tompon’andraikitra tamin’iny loza tany Ankazobe iny. Iaraha-mahalala fa misy dia misy tokoa ny kolikoly ao amin’ny sampan-draharaha manao ny fitsiriana ny fiarakodia. Ary mbola tsindriako koa fa isan’ambaratongany amin’ny raharaham-panjakana dia misy tokoa io kolikoly io ary tsy odian-tsy hita akory. Koa tsy vaha-olana velively izany famindran-toerana mpiasam-panjakana izany. Tsy vaha-olana koa ny fandroahana mpiasa madinika raha ny vaventy aza milomano tanteraka amin’ny kolikoly avo lenta ary mitentina mihitsy amina miliara Ariary.
Tsara ho marihina hatrany fa indray mandeha na indroa isan-taona ange no manao io fitsitiana io ny fiara rehetra e ! Ny fiara vao nivoaka ny « Concessionnaire » aza moa tsy manao io fitsiriana io raha tsy afaka 5 taona aorian’ny nahazoana azy. Koa eo anelanelan’izay fe-potoana izay ve dia tsy heverina fa mety misy MAHAZO ny fiara ? Tsaroantsika tsara angamba ny tantaran’ny fanondranana fiara TOYOTA karazany iray miisa 500 000 nalefa tany USA 8 taona lasa izay kanefa tsy ara-dalàna akory ny hisatr’ireo fiara vao nivoaka ny ozinina fanamboaran’azy ? Tsarovy fa tsy manao « diagnostic » (toy ny asan’ny mécanicien) akory ny fanaovana fitsirihana fa fitiliana tomba-maso ihany ary tsy mamaritra akory ny fetra farany (valeurs limites) fa ara-kalitao fotsiny ihany satria manenjik’isa izay ho vita indray andro. Koa ny fitiliana 20 minitra ve iantohana ny ain’ny fiara iray manontolo izay mety afaka 5 minitra aorian’ny fitiliana dia efa mety misy zavatra hiseho ?
Noho izany tsy mitombina ny fivalam-parana be fahatany amin’ity fitsiriana fiara ity.
Mbola antitranterina fa lehibe kokoa ny andraikitry ny mpitandro filaminana manatanteraka ny fisafoana amin’ireny lalam-pirenena ireny, izay mbola marihina koa fa tena hanjakan’ny kolikoly.
Manampy trotraka ireo ny faharatsian’ny foto-drafitr’asa navelan’ny krizy nifandimby teto, izay miteraka fahasimban’ny fiara koa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS