Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 23h23
 

Répondre à un commentaire

7 juillet 2017 à 08:11 | lysnorine (#9752)

@ Isandra 6 juillet à 15:34

« Les colons ont remplacé l’esclavage par la colonisation, et les servitudes par les services obligatoire (SMOTIG,...), ils ne faisaient que perpétuer la sauvagerie de leur prédécesseurs, en changeant juste le nom. »

Tsy mifanaraka loatra amin’ny tantara io fanombohanao hoe miendrika « habibiana » ny fitondran’ny tompony ny mpanompony faha-fanjakana malagasy, ka nanohy izany fotsiny ny mpanjanantany frantsay.

Efa nasehonay* teto ihany ny tsi-fahamarinan’izany araka ny voasoratry ny Frantsay ihany (ohatra) nandinika ny endriky ny fanandevozana nisy teto tamin’ny fotoana nidirany teto (1895) ka naharomotra ny zaza navelan’ny mpanjanantany frantsay na kiriolona izay tsy mitandro hasasarana amin’ny famerimberenana eto fasitara mahatsikaiky foromporoniny momba ny tantaran’i Madagasikara.

*Zahao :
30 décembre à 08:38 | lysnorine, « Des “extras” mais aussi des sans-abris », http://www.madagascar-tribune.com/Des-extras-mais-aussi-des-sans,22763.html

16 juin à 08:27 | lysnorine, « Les travaux commencent après deux ans de préparation »,
http://www.madagascar-tribune.com/Les-travaux-commencent-apres-deux,23063.html

Toa ny fankahalany manokana ny Ambaniandro amin’ny ankapobeny sy ny faniriany mafy dia mafy ny fiverenan’ny fanjanahana mivantana eto Madagasikara no manesika azy ireo hivovὸ tsy misy farany fa tsy dia misy tokony hoahoan’ny Malagasy TOMPON-TANY akory izany fivovozana izany.

Toy izao misy fivoasana manampy ny taranaka ankehitriny eo amin’ny fahafantarana tsara ny toe-doha aman-tsain’ny zaza navelan’ny mpanjanantany frantsay mbola misisika eto Madagasikara ihany. Notsoahana avy amin’ny Rapaoro nataon-dRamatoa Lucienne ALBERTINI vady navelan’i Me ALBERTINI, avokà sôsialista Frantsay mpiaro ny tompon-tany malagasy mpanohitra ny anjakanjaka sy ny fanandevozana fanaon’ny mpanjanan-tany. Ho an’ny avocat général Rolland nalefa teto Madagasikara tamin’ny 1948 hoe hanara-maso ny firoson’ ny fitsarana ny MDRM.

« Rapport établi lors du passage de l’Avocat Général Rolland, et remis à celui-ci avant le procès dit : « Procès des parlementaires » [nisokatra tamin’ny Jolay 1948]

« Il est indispensable de connaître d’abord tous les éléments qui constituent la population de l’Île en dehors de l’élément autochtone.
1° LA POPULATION dite « BLANCHE » ou ASSIMILÉE [...]
b) Français originaires de la Réunion : également fonctionnaires, colons, commerçants mais d’un racisme d’autant plus marqué qu’ils sont eux-mêmes teintés et de situation modeste »
[efa tao anatin’ny rapaoro ny sora-baventy]

Momba ny FANANDEVOZANA nampiharina tamin’ny alàlan’ny SMOTIG [Service de la Main d’Œuvre pour les Travaux d’Intérêt Général ] dia efa nisy lahatsoratra nasehonay teto

[15 juin à 08:54 | lysnorine, ao amin’ny « Extension de l’aéroport d’Ivato Les travaux commencent après deux ans de préparation » http://www.madagascar-tribune.com/Les-travaux-commencent-apres-deux,23063.html - lahasoratra : « Comment on traite les travailleurs indigènes ou L’ESCLAVAGE à Madagascar », tao amin’ny gazety « L’Aube Nouvelle », 15 Mai et 1er Juin 1932.]

Toy izao kosa ny HABIBIANA niara-dia tamin’ny SMOTIG naseho ny gazety « L’Aurore Malgache » tamin’ny 1932 ihany koa.
(Hotohizana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS