Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 23h28
 

Répondre à un commentaire

14 juin 2017 à 17:10 | I MATORIANDRO (#6033)

Tsara ho marihina hatrany fa ny hetsika sendikaly dia tsy azo afangaro velively @ hetsika politika toy izay fahita hatramin’ny andro nitondran-dratsiraka ary diso hevitra ny mpitondra izay nifandimby raha hiteny foana hoe misy ambadika politika ny hetsika sendikaly ; mahakasika ny an’ireo dockers eto Toamasina manokana dia entanina izay afaka mijery itony rohy itony mba hijery azy sy mba hanaparitaka izany arak’izay azo atao www.justicefordockworkers.org izay iarahan’ny SYGMMA sy ny ITF ( International Transport Workers Federation).

Efa hatrany am-piandohana (2012) izahay no nilaza fa olana tsy dia saro-bahana loatra ny an’ireo mpibata entana eto @ seranatsambon’ny Toamasina ireo fa ny mpitondra izay nifandimby(1975-2017) dia miala andraikitra sy mahita hevitra tsy hamahana ity olana ity foana !

Averina hatrany koa fa mahasarotiny ny ITF fatratra loatra ny mahakasika ny asa Dockers maneran-tany ary tsy vao izao ry zareo reo no nandray andraikitra isam-pirenena voakasika @ tsy fanajana ireo sokajin’olona ireo !

Ho an’ny fanjakana dia tsotra ny hafatra apetrakay hoe dien’ny mbola tsy mihatra ny hetsika iraisam-pirenena ny @ zay mety ho fanagejana ny seranana sy ny entana rehetra mivoaka sy miditra ilaina @ fiainana andavanandro dia mba ezaho vahana malaky faran’izay haingana ty fitakina ity !

Mankasitraka indrindra antsika rehetra !

Samia velon’aina !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS