Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Démocrafika
85 %
Derniers commentaires
- Demokraty : @Isandra Ou est le tramway qui avait été annoncé depuis la transition comme « (...)
- Zora : Yes ! Bien dit👏👏👏👏👏👏👏👏
- Maroon : The Technology has evolved Mr. President... Solar Parks are expensive and (...)
- bekily : zany hoe farany izay bongany mihintsy ny foza !!!!
- bekily : Avec Tsiranana...nous vivions sur des acquis ...non entretenus , ni (...)
Fa rahoviana hono io Ramatoa io no tsy hanohitra e ? Hatramin’ny vadiny aza mety toheriny tahaka izao koa ! Resaka tsy fahafaliana nohon’ny faharesena tamin’ny fifidianana anie io e ! ary tsy hitsahatra hanaratsy foana izy. Raha mitombona moa ilay vidin’ireo fiara ireo ka tokony ho zakan’ny kaominina, inona no olana ? Tsy aleo ve mividy fiara efa eo ka mba moramora vidy nefa mbola mandeha tsara toy izay hividy ny vaovao tsy taka-bidy irony ? Raha fiara niasa tamin’ny fotoanan’ny propagande aloha dia tsy mbola simba e no sady tsy niasa firy ka raha mivangongo ao antokotanin’i Ben’ny tanana ao foana ireo dia tsy hisy ahazo tombontsoa amin’izany. Isaorana aza izy ireo no mba niezaka namaha ny olan’ny kaominina ko !
Raha ny amiko dia tsy afangaro ny olana tena mangeja ny vahoaka malagasy ! Ny olana ngezabe eto dia ny tsy fahaiza-mitantan’ny fitondrana HVM sy ny kolikoly avo lenta atao ao izay manome vahana ny tsy fandehanan’ny raharaham-panjakana. Arodany any daholo ireo ry Ranabavy Freedom ary ataovy mipaika any amin’ny farany ny raharaha Claudine sy ny tariny satria izay ihany aloha no tena vao ahatsapan’ny vahoaka fa tafafoha amin’ny torimasony ny tompon’andraikitra rehetra.