Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 13h47
 

Répondre à un commentaire

22 avril 2017 à 08:45 | lysnorine (#9752)

@21 avril à 14:37 | Ibalitakely-referendum
« À mon humble avis un référendum ou plébiscite sur des retouches ou amendements de cette constitut° actuelle [1] s’avère vraiment nécessaire :

Toy izao no soso-kevitra mifandraika amin’izany vao narosonay teto :
20 avril à 19:19 | lysnorine (#9752) répond à Boris BEKAMISY ^
[http://www.madagascar-tribune.com/L-etau-se-resserre-sur-le-Premier,22975.html, « L’étau se resserre sur le Premier ministre et les ministres concernés » ]

« Laharam-pamehana ny FANDRAVANA tsy misy hataka andro ny ANTENIMIERAM-PIRENENA sy ny hanaovana haingana fifidianana solombavam-bahoaka [alohan’ny fifidianana prezidà izany !].

« Hohazavaina tsara amin’ny vahoaka mpifidy amin’izay fa :

« Ny FANOVANANA ny LALÀM-PANORENANA ankehitriny no andraikitra voalohany ampiantsorohana ny Antenimiera vaovao ka velarina mazava tsara aminy MIALOHA ny FOTO-PITSIPIKA LEHIBE hiompanan’izany fanavaozana izany. »

Fanampiny : Amin’ny alalan’ny depiote rehetra harotsany hofidina izany no hampahafantaran’ny ANTOKO tsirairay avy ny vahoaka izay mba “FOTO-PITSIPINY LEHIBE” raha mitady fanovana ny lalàm-panorenana izy na koa ny hanambarany fa tsy mila fanovana izy.
Koa izay antoko mahatafiditra depiote be indrindra izany no manolotra ny teti-dalam-panorenana vaovao hodinihan’ny depiote sy ny senatera ary holaniany fa tsy mila manao referendum intsony handaniam-bola sy andro, indrindra fa tsy hahavaky sy hahatakatra akory izay voasoratra rehetra ao anatin’ny lalàm-panorenana asaina ankasitrahany na tsipahany ny sarambabem-bahoaka amin’ny ankapobeny (na aiza na aiza eran-tany !). Karazana famitaham-bahoaka ireny referendum momba ny lalàm-panorenana ireny.

« [1] il n’est point obligatoire de changer de République. »
Tsy misy heviny loatra ity fanomezana « nomerao » vaovao ny Repoblika ity isaky ny manova Lalàm-panorenana, fanarahana anjamba ny fomban’i Frantsa. Tokana tsy miovaova angamba ny hevitry ny hoe Repoblika dia tany tsy anjakana na entina mpanjaka fa tany entina olona nofinidin’ny vahoakany. Koa raha ny eto amintsika no heverina dia Fanjakana entina OLOM-BOAFIDIN’ny VAHOAKA MALAGASY ny tokony hantsoina mandrakizay hoe Repoblika MALAGASY fotsiny. Tsy fananan’ny fitondran’Itompokolahy Tsiranana tsy akory ny teny hoe « Repoblika Malagasy », izay teny malagasy madio manondro tsara hoe ny MALAGASY no tompony. Ny hany mila avahana rehefa miresaka na manoratra dia ny Repoblika Malagasy TSY NAHALEO TENA niforona tamin’ny 14 ôktôbra 1958 sy ny Repoblika Malagasy lasa nahaleo tena niantomboka tamin’ny 26 Jona 1960.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS