Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
- Saint-Jo : Moi , arsonist , le Merina de partout et de nulle part , je crois dur (...)
- Isandra : Cela veut dire que ce régime ne cherche qu’accélérer la cadence, malgré, la (...)
- Isandra : Sur le site du PNUD : "𝐋𝐞 𝐩𝐫𝐨𝐠𝐫𝐚𝐦𝐦𝐞 𝐩𝐚𝐲𝐬 𝟐𝟎𝟐𝟏-𝟐𝟎𝟐𝟑, é𝐥𝐚𝐛𝐨𝐫é 𝐝𝐚𝐧𝐬 𝐮𝐧 𝐜𝐨𝐧𝐭𝐞𝐱𝐭𝐞 𝐝𝐞 (...)
- pisokely : ils ont tissé une vraie toile protectrice... Tous ont vendu leur âmes à (...)
- Saint-Jo : C’est rigolo ! Croire que , par une opération du Saint-Esprit , l’ abruti de (...)
Izany eo ihany fa mba iza loatra no mampirisika foana ny fitondram-pajankana malagasy, indrindra izao fitondrana vendrana izao, hoe ampiakaro indray ny tarehim-bola ambony indrindra @ volanareo. Rehefa miakatra mantsy io tarehimariky ny vola ambony indrindra io dia miakatra ihany koa ny tarehimariky ny vola ambany indrindra mia tsy misy lanjany any ka sady mampiakatra ny vidim-piainana na inflat° no mampihena ny fahefa-mividy na pouvoir d’achat. & ny tantara nanomboka tany @ Repoblika faha roa mantsy dia manamarina tokoa ity fanadiadiana manaraka ity :
Raha t@ Repoblika voalohany ohatra dia arivo Ar 1 000 (arivo ariary) na 5 000 francs no lehibe indrindra ka mbola nanan-danja ny iraimbilanja (1 franc) & ventsy sy kirobo (2 francs) & sikajy dimy (3 francs) ka ny mofo ohatra dia 8 francs na Ar sy sikajy dimy, ny ronono mandry [nestlé] amin’ny boaty 12 frs Ar 2 ventsy kirobo, ny dobera 250 g 13 frs, ny solitany @ daba vy 18 l [tao @ io Bazar du Quartier Mahamasina io & ny tobin-dasantsy maro no mpivarotra azy t@ izany], ny bus 10 frs ny takila teto an-drenivohitra & Ar 6 (30 frs) ny saran-dàlana nankany Alakamisy Fenoarivo & koa Ivato, ny fiara karetsaka na taxi 50 frs, ny 1 Ar tena mbola nisy lanjany ary fisiotsioka ny hoe “telo ariary roa ny paoma !!!”, sns.
Tonga ny Rep faharoa dia nampiakarin’I Deba & ny tariny tarehim-bola ho Ar 2 000 [10 000 frs] ny lehibe indrindra dia tsy vitan’ny nanomboka niakatra daholo ny vindin-javatra rehetra fa ireo tarehim-bola madinika indrindra to any 1 frs & 2 frs & 3 frs →→→→ nia tsy niasa firy intsony ny 1 Ariary →→→→ Ar 3 [15 frs] any eo Ar 4 [20 frs] ny saran-dàlana bus teto an-drenivohitra, Ar 10 [50 frs] dia avy eo Ar 20 [100 frs] ny nankeny Ivato, sns.
Niverina nitondra indray I Deba ny Rep faha telo ka nampiakariny ho Ar 5 000 [25 000 frs] indray ny terehim-bola lehibe indrindra →→→→ tsy nisy lanjany intsony ny Ar 2 & ny Ar 4 ka lasa sarotra tadiavina ny Ar 10 & Ar 20. Niakatra hatrany ny vidin’ny zavatra rehetra toy ny fitanterana & sakafo an-davan’andro ka ny nanasarontsaronana izany dia mody nampiakarina kely ny karama na ny farany ambany [SMIG] na @ ankapobeny.
Nanaraka ihany koa Ra8 ka namboatra ny Ar 10 000 [50 000 frs] antsohin’ny tanora hoe tima [TIM] noho ny lokony angaha, dia niakatra koa ny vidin-javatra rehetra.
& ny tena nanahirana @ izany rehetra izany dia lasa sarotra foana koa ny mitady madinika rehefa mandeha fitanteram-bahoaka na koa miantsena ka noho izany dia ohatra ny lasa voantery an-kolaka hoe taperina izay tarehim-bola entina mivoaka miantsena fa manahirana ny mitady fameriny. Nisy ihany ny nanery ny mpivarotra t@ voalohany fa rehefa ela ny ela mba midongy ihany koa ny mpivarotra ka miteny hoe “tsy mahita madika aho fa aleho atao zavatra [vato mamy na ny 1kg atao 1kg & 100 g,…] ny famerina na miverena maka azy rehefa rahariva na hoe aoka aza aloha ajanona fa tsy maninona”.
Dia raha toa ka hisy izany tarehim-bola vaovao Ar 20 000 [100 000 frs]izany dia →→→→ sady mbola hampiakatra ny vidim-piainana no ho tsy hisy lanjany intsony koa izany ny Ar 100 [500 frs] & Ar 200 [1 000 frs], eny ka ny Ar 500 [2 500 frs] indray izany no hifampitadiavana manomboka eo satria izy indray izany no ho kely indrindra fampiasa. →→→→ mba miseho mihomehy any Zimbaboe itsika na dia mia maka tahaka azy aza !!!