Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 19h02
 

Répondre à un commentaire

18 avril 2017 à 13:34 | TSIKOZA (#7624)

Misy mbola sahy milaza ihany fa tokony ho deraina hono i Herivaimanta sy ilay PM nohon’ny tsy fitenenana manoloana ny fanamborana an’i Claudine fanentribem-pirenena iny. Tsy izay fa tsy mahateny izy roalahy satria tsakotsakoin’ny nenina sy henatra. Hatramin’ny fampielezan-kevitra tamin’ny nandritra ny fifidianana filoham-pirenena farany teo anie dia efa samy niara-nikaon-doha tao ireo e ary mbola notohizana hatramin’izao . Ombivavy be ronono izany ity ramatoa ity satria ny volam-bahoaka izay tokony nanasoavana ny vahoaka no tantazan-dry zareo ka lasa asa tsy zarizary no mba hita eny rehetra ireny ary tsy maharitra fa tonga dia simba.
Diso fihevitra ny be sy ny maro raha nihevitra fa ireo polices sy zandaro ary olon-tsotra manao tsolotra ireo no mambotry ity firenena ity. Tsy ireny anefa fa ireo mpitondra sy ireo manodidina azy ary vola any amina miliara foana no resahina eto fa tsy mba ira alina ariary.
Raha aravona izany ny resaka dia hita fa ny volam-panjakana izany dia tsy mankaiza fa any anaty paosin’ireo olona ireo ka tsy mahagaga raha mahavita mandeha V8 sy manana trano sy hotely tsara tarehy daholo.
Nampahantrana tanteraka ny vahoaka, nampihorohoroana sy noverezin-jo ary mbola mikendry ho lany indray ny sasany amin’ny 2018.
Raha tena manana « bonne volonté politique » sy madio tanana ny filoha sy ny PM dia tokony hiaiky heloka eo anatrehan’ny vahoaka malagasy ary tokony hiezaka amin’ny famerenana an’io ramatoatoa io eto antanin-drazana, atao saisie ny compte bancaire na eto antoerana na any ivelany rehetra any, giazana tahaka izay ihany koa ireo fananany hafa satria efa fantatra fa efa fanaon’ity ramatoa ity io asa ratsiny io hatramin’izay.
Mazava ny tenin’ny PM teo aloha Omer Beriziky, izay nanambara fa olom-bitsy no mahazo ny marché public rehetra manerana an’ity nosy ity ary misy olona iray manana anarana anankiroa.
Samy niara-nahita isika fa nisy anarana « ATALAH » koa tao mino aho fa fianakams n’i Ministre des affaires étrangères izay. Ravao manomboka androany io tambazotra io ary tonga dia akarapaho ilay PM satria tsy afa-miala amin’ireo raharaha maloto mikasika fanodinkodinam-bola. Mikasika ny « avocat de diable » izay olona miaro an’i PM ankehitriny, misy ekeko ny voalazany fa kosa eo anatrehan’ireo zava-doza sy fahavoazana iainan’ny vahoaka malagasy manerana an’ity nosy ity ve dia iny tranga kely tany atsimo iny fotsiny ve no mba ahafahany milaza fa miaro ny madinika izy ? Raha tsy baiko avy any amin’ny Ministre de l’intérieur ary ny mampiditra ireo sinoa sy ireo mpitsentsitra ny harena eto iza ary no hafaka hanao an’izan ? Ary nahoana no tsy nandray andraikitra hatramin’izay fa efa andohalika ny ranom-bary vao hitabataba amin’ny teny tsy valiana ?
Eto dia manolotra teny filamatra iray aho ho antsika malagasy rehetra : « TSY NY FARI-PAHAIZANAO NO HANAVOTRA AN’ITY GASIKARA ITY FA NY TOETRANAO MIOVA ».
MAHAIZA MIONONA RY MALAGASY ! FA KAMBOTY VELON-DRAY SY MANGETAHETA AMBONIN’ANTARA ISIKA HATR’AMIN’IZAO.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS