Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 15h43
 

Répondre à un commentaire

14 avril 2017 à 15:51 | Vony (#9812)

COLLECTIF CONTRE L’IMPUNITE

Communiqué de la conférence de presse du jeudi 13 avril

Aoka izay ny tsimatimanota !

Nomarihin’ny fametrahan’ireo mpitondra nifanesy ny tenany ho ambonin’ny lalàna ny fito amby dimampolo taona nahamahaleotena an’i Madagasikara. Rehefa ao anaty Fitondrana izy ireo dia mampiasa ny lalàna amin’ny tombontsoany manokana, ary mailaka kosa mitsikera ny fanaony nolovain’ny mpandimby azy rehefa tsy eo intsony. Izany no isany mahatonga ny elanelana goavana eo amin’ny faripiainan’ny mpitondra, ny olom-pitondrana, ny mpiasam-bahoaka ary ny vahoaka tsotra (indrindra indrindra ireo ivelan’ny Fitondrana).

Izany zava-misy izany dia nahatonga ireo antoko politika rehetra nitondra tsy afaka nametraka zava-mivaingana lavitra ezaka ho an’ny mpiray firenena fa toa ny metimety amin’ireo olony ihany no nokatsahiny. Porofon’izany, izao maha-firenena gisitra eo amin’ny laharan’ny fampandrosoana an’i Madagasikara izao. Mbola io antony io koa no niteraka ireo krizy nifanesy teto amin’ny tany ama-monina : ny eo amin’ny Fitondrana mifikitra tsy te hiala, ny mpandimby maniry mafy hiditra, ka dia nizotra foana amin’ny fifandonana mahery vaika. Vokany : izay Fitondrana vaovao dia toy ny namerina nanangana foana ; ary rehefa miverina manangana foana, kanefa ilay firenena manao fizotra mitsitotongana, mazava ho azy fa ery amin’ny laharana ambany no iafarany. Izany no toerana misy an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao, izany no mahatonga antsika ho sahirana dia sahirana io.

Nanamarika ity herinandro ity sy ny teo alohany ny hetsika nataon’ny Bianco, ny Chaîne pénale anti-corruption ary notohanan’ny Sendikan’ny Mpitsara (SMM). Midera izany ezaka rehetra izany izahay ary mirary ny mbola hitohizany. Voalohany izao hatramin’izay naha-repoblika an’i Madagasikara. Ny repoblika efatra nifanesy hatreto tokoa manko toa anarany fotsiny fa ny marina mbola ao anaty tetezamitan’ny fitondrana faha-mpanjaka mankany amin’ny fitondrana repoblikana ny Malagasy. Mila faranana io fitsapatsapana io. Mbola hiroso amin’ny lalindalina kokoa ny fahantrana sy fahapotehana raha hanohy foana io fizotra io ny firenena : manambana ny fahataperan’i Madagasikara firenena tokana ; ho dila ny nofinofin’ny Maroseranana sy ry Ombalahibemaso naniry ity nosy ity ho valamparihy tokana.

Eo amin’ny kihondalana no misy antsika : hitraka, handeha hanaraka ny lalana nodiavin’ireo firenena madinika nankany amin’ny fampandrosoana sa hanohy ny faharendrehana ? Tadidio fa mariky ny fahapotehan’ny Fitondrana ny fihanaky ny fitsaram-bahoaka etsy sy eroa, ary iny zava-nitranga tamin’ny raharaha nahavoarohirohy ilay ramatoa mpanolotsain’ny Filohan’ny repoblika iny dia fambara fa io fahapotehana io dia efa tonga ao anatin’ny Fitondrana mihitsy.

Tsy hisy izany fanorenana ifotony tanteraka an’i Madagasikara (“refondation totale de Madagascar”) izany satria ny môdely ideôlôjika misy na aiza na aiza eto an-tany hatreto dia ny liberalisma sy ny sôsialisma ihany ; ny ankoatra izay dia “variantes” miainga avy amin’ireo roa ireo, na karazana “extrêmisme”. Mandainga izay milaza fa hanao fanorenana ifotony kanefa tsy mitondra foto-pinoana vaovao ; ny famerenana amin’ny laoniny ny “système politique” no afaka hitondra fahatsarana any amin’ny lafy rehetra ambiny… Olana eo amin’ny “système politique” tokoa manko no mitarika izao fahasahiranana isan-karazany eto amin’ny firenena izao. Raha nipetraka amin’ny tokony ho izy ny fanaovana pôlitika teto tsy tokony ho nahitana akory ireny mpikambana amina andrimpanjakana ambony manao fitondrantena jiolahimboto amina toeram-piasana andrimpanjakana hafa ireny, na koa antoko eo amin’ny Fitondrana voatery mizaka ao anatiny olona nindramany vola ka nahatonga azy eo amin’ny fitondrana faratampony, na koa antoko pôlitika eo amin’ny Fitondrana sahirana satria tongatonga tampoka teo tsy niomana. Ny famerenana amin’ny laoniny ny antoko pôlitika no hahafahana mandamina ny korontana misy etsy sy eroa ankehitriny. Ny antoko pôlitika no iankinan’ny fihodinana ara-dalàna ny fitondrana sy ny raharaham-pirenena ao amina tany tena repoblikana.

Mamerina ny fankasitrahana ny ezaka nataon’ny Bianco sy ny Chaîne pénale anti-corruption, ary ny fitsanganan’ny SMM izahay. Mila tohizana izany ary manantena marina fa tsy fahataitairana fotsiny ireny. Farany, miantso ireo hery velona rehetra eto amin’ny firenena izahay mba hanosika araka izay tandrify azy ny ezaka natombok’iretsy voatonona iretsy, mba hampahamasimandidy ny lalàna noho izy antoky ny fahafahana sy fitovian-jon’ny olompirenena tsy ankanavaka.

Mankasitraka, mankatelina, tompokolahy sy tompokovavy.

Ho ela velona anie i Madagasikara !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS