Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 17h58
 

Répondre à un commentaire

11 avril 2017 à 07:59 | lysnorine (#9752)

« Détournement de subventions »
Somary mahavariana kely ihany ity fivelezana amponga aoka izany eran’ny vazan-tany efatra ity momba ny hoe fanodinkodinam-bolam-panjakana nataon-dRtoa Razaimamonjy Claudine. Izany moa no nahatonga anay namelabelatra hoe pôlitika avo lenta no fotony ka i Frantsa sy ny Malagasy « andriny faha-dimy » no loharano fiaviany, ary Ingahy prezidà sy ny pôlitikany vaovao mirona mankany amin’ny Sinina no antony kendreny sy lasibany.

[ Zahao :
(1) 6 avril à 09:10 | lysnorine (#9752) ; @ 5 avril à 12:53 | kartell –BIANCO- POURQUOI ? AUJOURD’HUI ? et POURQUOI CLAUDINE ?-Claudine Razaimamonjy impliquée dans plusieurs affaires douteuses ;
http://www.madagascar-tribune.com/Claudine-Razaimamonjy-impliquee,22949.html#comment336530 ;

(2) 8 avril à 08:35 | lysnorine (#9752) ; « L’affaire Claudine Razaimamonjy devient une affaire d’Etat » Nahoana ?
http://www.madagascar-tribune.com/L-affaire-Claudine-Razaimamonjy,22954.html#comment336845 ]

Tsara ho marihina kely eto aloha fa toa avy hatrany dia mampisendoatra ny marivo salosina mpanao amen befahatany amin’i Frantsa izany FIVOASANA izany, satria araka ny toe-dohany angaha dia rehefa fitsikerana maniny ny PÔLITIKAN’i Frantsa dia mira fankahalana Frantsay. Mora takatry ny sarambaben’ny olona ihany angamba fa hevi-dravina izany.

Raha ny tontalin’ny vola hoe voahodina no dinihina dia toa tsy dia mifanentana loatra amin’ny hahavon’ny fivazavazan-dRanona sy Ranona atsy sy eroa. Tsy atao fanamaivanana ny heloka akory izany fa atao fanoharana kosa amin’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana hafa mitentina vola be lavitra noho io tatatatana io, izay toa totofana sy halevina, tsy mba nandrenesam-peo avy amin’ireo sampan-draharaha avo vava ankehitriny ireo, ary tsy fantatra izay tohiny sy niafaran’ny vola nangalarana sy ny mpangalatra.

« Dossiers portant sur le détournement des subventions allouées par le ministère de l’Intérieur aux collectivités décentralisées, d’une valeur totale de 500 millions d’ Ariary à savoir 150 millions d’ Ar et 200 millions d’ Ariary pour la commune d’Ialananindro en 2014 et 2015, ainsi que 150 millions d’Ariary pour la commune de Mahasoabe en 2016 »

Izany hoe :
2014 : 150 tapitrisa A : na US$ 58 035
2015 : 200 tapitrisa A : na US$ 62 330
2016 : 150 tapitrisa A : na US$ 44870

Izany hoe : US $ 165 235 no tontalin’ny lanjam-bidin’ilay 500 tapitrisa A, ka raha oharina amin’ny vidin’ny VOLAMENA eny amin’ny tsena iraisam-pirenena fivarotana/fividianana azy ambongadiny dia ho nahazoana 4,093 grama omaly alatsinainy 10 Aprily.

Azo ampitahaina amin’izany 4 kilao mahery kely izany ny lanjan’ny volamena tratra vao haingana tetsy Ivato na tany an-kafa koa saika haondrana antsokosoko any ivelany :

- « Les douaniers d’Ivato ont mis la main sur dix huit lingots d’or d’un poids total
de 24,760 kg » [« Trafic illicite – Dix-huit lingots d’or saisis à Ivato », L’Express de Madagascar, 30.09.2016, http://www.lexpressmada.com/blog/actualites/trafic-illicite-dix-huit-lingots-dor-saisis-a-ivato/]. Araka ny mahazatra, dia tsy fantatra izay niafaran’ny raharaha. Tsy mba tokony hojeren’ny Bianco sy ny sendikan’ny mpitsara akaiky koa ve ny momba izany ?

Torak’izany koa :

- « 30 lingots d’or ont été trouvés dans les bagages d’un ressortissant pakistanais à Mahajanga hier aux environs de 12h30. L’homme aurait tenté de s’envoler pour Dzaoudzi, Mayotte avec le métal précieux évalué à 20 kg.[ « Saisie de 30 lingots d’or à Madagascar », LINFO.RE, 11.10.2011, http://www.linfo.re/-Faits-divers,372-/Saisie-de-30-lingots-d-or-a-Madagascar ] ;

- « deux femmes d’origine indienne en partance pour Mumbai ont été interceptées par les gendarmes de l’aéroport international d’Ivato avec 2,240kg d’or dissimulés dans leurs parties intimes » [ « Aéroport d’Ivato : deux femmes cachent 2 kg d’or dans leurs parties intimes », LINFO.RE, 30.03.2017, http://www.linfo.re/ocean-indien/madagascar/715013-aeroport-d-ivato-deux-femmes-cachent-2kg-d-or-dans-les-parties-intimes ]

Farany, efa tamin’ny taona 2003 no nanantitrantitra ny ben’ny tanàna MAEVATANÀNA tamin’izany fotoana izany, RAMANANTSEHENO Jean-Louis, fa « any amin’ny 10 ka hatramin’ny 20 kg ISAM-BOLANA any ny lanjan’ny volamena mivoaka ao aminy » [L’Express de Madagascar n°2465 du 14 avril 2003]

Mampalahelo fa noravana tamin’ny Septambra 2015 ny fepetra tsara noraisin’ny fahefana nanongam-panjakana tamin’ny 17-18 Martsa 2009, nandrara ny fanondrana volamena any ivelany, tamin’ny 2012 [ « Andry Rajoelina décide d’interdire toute exportation d’or [...]. Le président de la Transition vient de recommander en conseil des ministres, l’INTERDICTION DE TOUTE EXPORTATION D’OR [...]  et déclare “qu’il est ABSOLUMENT CONTRE L’EXPORTATION DE CETTE RICHESSE NATIONALE” ; « L’or interdit à l’exportation », L’Express de Madagascar N° 5204 du vendredi 20 avril 2012].

(Hotohizana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS