Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 01h51
 

Répondre à un commentaire

25 mars 2017 à 08:38 | lysnorine (#9752)

« Air Austral ne supportera pas le passif d’Air Madagascar »
http://www.zinfos974.com/Air-Austral-ne-supportera-pas-le-passif-d-Air-Madagascar_a112452.html

Tsy hizaka izay TROSA rehetra mitambesatra amin’ny Air Mad na toa inona na toa inona, na ohatrinona na ohatrinona, ny Air Austral araka ny lohatenin’ io lahatsoratra io.

Voalaza ao anatin’ilay lahatsoratra koa fa hay tsy fantatra akory na mitentina ohatrinona na ohatrinona izany trosa izany. Ny tsy fahafantarana ny tarehi-marika momba izany trosa izany aloha dia efa vavolombelona manambara avy hatrany ny tsi-fahaizana nitantana ny orinasa.

Tsy hainay koa raha mba takatry ny depiote sy ny senatera malagasy ny maha-adidiny aman’andraikiny LEHIBE no mitaky ny mangarahara aloha amin’izany hoe « protocole d’accord » HIAZAKAZAHANA hatao sonia ALOHAN’ny 31 Martsa izany ! Tokony hohazavain’ny ministry ny Vola, Gervais Rakotoarimanana, sy ny prezidan’i Air Mad, Léon Rajaobelina, tsara hatramin’ny antsipiriany aloha, amin’ny be sy ny maro, ny hevitr’izany « protocole d’accord », sy ny zavatra raketin’izany fanekena dodosiny hatao sonia izany, ary indrindra indrindra, inona avy no adidy VOKATR’izany, mitambesatra amin’ny Fanjakana malagasy sy ny vahoaka malagasy.

Koa noho izany dia tokony hotakin’ireo solombavambahoaka ireo ny hisiana fiadian-kevitra momba ny votoatin’izany « protocole d’accord » mikasika fivarotana fananam-pirenena amina vahiny izany . Ara-dalàna sy rariny sy hitsiny raha TSY MAINTSY angatahan’ny governemanta sy ny solontenany MIALOHA ny hanaonaovany sonia fifanekena toy izany ny FANKASITRAHAN’ny solombavam-bahoaka fa tsy tonga dia tapatapahiny fotsiny amin’izao akory. Indrindra fa hoe ny Vahoaka Malagasy ihany izany no mbola tsy maintsy manefa ny trosan’ny Air Mad ka mbola hikaro-dalana hanatontosana izany aloha i Madagasikara - Trosa vaovao ? fanaovana varo boba ny harena an-kibon’ny tany na ny tany fambolena, sns ? - , hoy Ingahy ministry ny Vola. Rehefa tanteraka izany vao hanaiky hividy ny 49 %-n’i Air Mad ny Air Austral. Hatramin’izao aloha dia tsy nampahafantatra ny vahoaka - tompon’ny Air Mad ! - na Ingahy ministra na Ingahy prezidàn’i Air Mad ny amin’izay VIDY hividianan’i Air Austral io 49 %-n’i Air Mad io sy AHOANA sy AHOANA avy no fomba HOE handoavany azy. Izany no voalohan-javatra mila fantarin’ny solombavam-bahoaka manao ny asany ara-dalàna. Ary somary mahagaga ihany no toa tsy mahasarotiny dia sarotiny an’Ingahy prezidan’ny Repoblika amin’izany fanakontakonana izany zava-dehibe, mihatra aman’aina izany, amin’ny maha- EXPERT-COMPTABLE azy !Tsy mazava loatra satria tsy misy heviny intsony ny mbola hivarotana IHANY izany 49%-n’ny Air Mad izany raha mbola tsy maintsy manala ny trosany irery ihany aloha ilay orinasam-bahoaka. Tsy rehefa afa-trosa ve àry ny Air Mad vao tokony hieritreritra izay tokony hivarotany ampahany amin’ny renivolany...RAHA MBOLA ILAINA IHANY IZANY izany amin’izay fotoana izay !

Hevitra an-taingina ihany arak’izany ilay nambaran’ an’Ingahy ministry ny Vola hoe : « Air Austral [...] permettra à terme (?) à la compagnie nationale malgache de poursuivre son développement (?). Tsy hita izay antony mbola hifampiraharahana amin’ny Air Austral rehefa tsy andray anjara amin’ny fanefana ny trosan’ny Air Mad izy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS