Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Démocrafika
100 %
Derniers commentaires
- Isandra : Zora, Ce n’est pas à cause du Président, mais de la lourdeur administrative, (...)
- MALIBUC : Zora, Je suis à Madagascar mais au Nord Est. Énormément d’amis et de la (...)
- Zora : Inandra, ca fait des mois que vous avez accaparé les biens et outils de (...)
- Turping : Chaque chose...
- Turping : Et c’est la raison pour laquelle ,il faut commencer par résoudre les (...)
Hadalana ny nataon’ireo police tsy mahay ny asany ireo ! Tsy ho vita mora iny ary na inian’ny fanjakana takonana aza dia mbola mafana foana ny rà latsaka sy ny alahelo . Folo taona no fe-potoana azahoana mitory ireo polices nahavanon-doza ireo izany hoe na dia efa any amin’ny taona 2026 aza dia mbola azo fohazina foana ny raharaha. Efa fantapatatro ihany ny toe-java nitranga tany teo anatrehan’ny fanadiovan-tena nataon’ireo polices sy ny lehibeny. Mampalahelo e ! izy ireo no nanao azy dia izaho no lasa menatra voalohany. Marina ihany ny filaza tany ho any hoe« il existe dans certains pays où les forces de l’ordre sont à l’origine d’inquiétude et d’insécurité. »
Tsy vitan’izay ihany fa ity hadalana tian’ny fitondrana hatao ity ! Tonga teto amintsika ireo mpamonjy voina avy any la Réunion nitondra ireo fanampiana rehetra tokony ho aterina sy zaraina any amin’ny faritra tena tra-pahavoazana teto Madagasikara. Akory anefa ny hagagana fa notadiavin’ny fanjakana ho tantanana ny raharaha rehetra indrindra ny fitsinjarana ireo fanampiana ireo mba ho fampielezan-kevitra mialoha. Tsy nanaiky ireo vahina fa dia aleon-dry zareo niverin-dalana. Mba azo ekena ve izany ? Mba rariny ve izany ? Rehefa tsy mahita atao ry zalahy aleo miala a ! fa aza mila ranondranony eo !
Tsy ho zakan’ireo mpitondra antsika manko raha toa ka fantatr’ireo vahiny ny tsy fandraisana andraikitra sy ny habibiana rehetra ataon’io fitondrana io amin’ny vahoakany. Hay mailo ihany ry lerony !