Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 16 avril 2024
Antananarivo | 19h54
 

Répondre à un commentaire

16 février 2017 à 09:18 | lysnorine (#9752)

(Tohiny sady farany)
« Mampahatsiahy an’i Keliberano »
2008-01-31
http://jentilisa.blaogy.com/122_hevitra_mpanohariana/archive/4073_mampahatsiahy_ani_keliberano.html
« Ho an’izay tsy mahalala ny tantaran’i Keliberano na nampalaza an’i Keliberano dia fintiniko vetivety aloha ny zava-nitranga. Tany amin’ny faritra atsimo misy ny fari-piadidian’i Fianarantsoa sy Toliary iny nandritra ny REPOBLIKA FAHAROA dia nisy FAMONOANA MAHATSIRAVINA MPANDEHA IRAY TAXI-BROUSSE (ampolony no dikan’izany) teo amin’io faritra KELIBERANO io. Manaraka ny lalam-pirenena fahafito iny izany. Tsy dia fantatra loatra ny antom-panafihana tamin’ny voalohany fa MPANAO DABOKANDRO iray no niteny fa IZY NO tena notadiavina sy NOKENDRENA tamin’io fanafihana io. Vao avy nahalafo omby maromaro manko izy ka nikasa handray ilay taxi-brousse. Teo ampiaingana anefa ranamana mpanao dabokandro dia toa nahatsikaritra zavatra hafahafa teny amin’ny MPITANDRO NY FILAMINANA teny an-tsenan’omby (mila mijery tantara indray mandeha angamba aho fa na Ambalavao ilay tsenan’omby na Ihosy). Noheveriny fa IZY NO NORESAHIN’NY ZANDARY TAMINA TALKIE WALKIE HOE LASA (tamina taxi-brousse iray). NIALA TAMIN’IO TAZI-BROUSSE IO IZY ary niandry fiara hafa indray handehanana.

« Akory ny hagagany rehefa nandalo an’io faritra KELIBERANO io izy fa FENO DIAM-BALA NY TAXI-BROUSSE NIALANY ARY MATY VOATIFITRA AVOKOA NY MPANDEHA REHETRA TAO ANATINY . Rehefa notopazana ny tao anatiny dia VOASAVASAVA avokoa ny ENTAN’NY MPANDEHA ary hita hoe nojerena avokoa ny tavan’ireo mpandeha notifirina ireo. Afa-doza ranamana saingy ny hafa no nidiran-doza. Noheverin’ny olona tamin’izany fotoana izany, satria tsy reko ny valim-panadihadiana tamin’izay nanao io heloka bevava io, fa « ZANDARY » ANGAMBA NO NANAO NY SAKANA ary nijanona soa aman-tsara ny fiara. Ny FIJANONAN’NY FIARA TAMIN’NY SISINY MANKO NO NIERITRERETANA IZANY. Vao nijanona dia nitaky ny hijery olona tao ireo « zandary ». Vao tafiditra ry zareo dia norarafany notifirina avokoa na mpandeha na mpamily. Ny olona lazondazony rehetra ataoko fa mahatadidy ity raharaha ity. Ny noahiahian’ny be sy ny maro tamin’izany fotoana izany moa dia olona ambony manana anjara toerana tamin’ny fitondrana ihany. »

Teny Fanampiny : Nalaza dia nalaza tamin’ny andron’ny « Boky Mena » sy ny « Tolom-piavotana » fa ny ady teny amin’ny fitsarana mikasika ny mpangalatra omby, no hoe tena NAMPANAN-KARENA IZAITSIZY izay rehetra tafiditra tamin’izany raharaha izany : ny avokà mpiaro, ny mpitsara, ny mpitandro filaminana, sns., sns..

Manamafy izany izao fanambarana izao :

http://nah296.free.fr/Fanambaran-i-Pety-Rakotoniaina.htm

« Ny fampandrian-tany nandraisan’ny mpitondra, tafi-bahoaka ary vahoaka amin’ny faritanin’i Fianarantsoa andraikitra »

« Nandritry ny REPOBLIKA FAHAROA (nitondran’Andriamatoa RATSIRAKA sy ny namany), TSY NISY FANDRIAMPAHALEMANA eran’ny Ambanivohitra amin’ny Faritany enina eto MADAGASIKARA, ary nitondra faisana manokana ny Faritanin’i Fianarantsoa . Rava fananana, namoy ny ainy ny olona, TSY MATY MANOTA tamin’ireo habibiana nampihariny ny DAHALO.

« Vonjy tavan’andro ireo “Opérations” nentin’ny fitondram-panjakana niatrika ny asandahalo . Tsy voafongotra hatr’ifotony ny ratsy : voakikin’ny fahalovana ny fitondram-panjakana. NIREHAREHAN’ny DAHALO ny FAHAFAHANY MIVIDY Mpitondra ambony, Mpitsara, Mpitandro filaminana, Mpiasam-panjakana. Nivala-ketraka ny Olom-boafidy tao amin’ny filankevi-bahoakan’ny faritanin’i FIANARANTSOA tamin’izany fotoana izany, rehefa nahita fa ny “opérations” goavana TAPAKA fa hanampohana ny dahalo sy ombin-kalatra tany Sakavahaona, KELIBERANO, dia NAHEMOTRA mba ahafahana MAMPANDOSITRA mialoha ny mpangalatra omby.

« Sandoka, andiovan’ombin-kalatra ny ankamaroan’ny bokin’omby ankatoavin’ny Delegem-panjakana .[...] ».

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS