Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 18h57
 

Répondre à un commentaire

14 février 2017 à 13:19 | Isandra (#7070)

Ny tena tokony hoeritreretin’ny Malagasy izao, dia ny hoe kihon-dalana lehibe io 2018 io, satria maro ny firenena no tapa-kevitra, fa hanova ny mpitondra, ary tena hampikorontana tanteraka ny fifiandraisana iraisam-pirenena izany.

Izany indrindra no mahatonga antsika mila mametraka filoha tena mahay manentana sy mitaona ny Malagasy amin’ny fampandrosoana haingana sy maharitra.

Efa hitantsika ny nataon’ity fitondrana ity, raha olona mitavozavoza toy izany no hiatrikan-dry TRUMP sy Poutine, dia hilaozan’ny omby miahaka eo.

Etsy ankilany koa nisy olona nilomano tao anatin’ny famantsiam-bola, fa toa tsy dia hita taratra loatra ny fampandrosoana haingana teo amin’ny firenena amin’ny ankapobeny tao anatin’ny fitotaona be izao, kanefa ny vola nitombaka eran’ny tanana. Ny lalana izay nataony aza efa saika simba daholo, kanefa raha ny tena marina, dia tokony haharitra amampolon’ny taona maro ireny. Ny foto-drafitrasa hafa moa dia handino tanteraka, tahakan’ny herin’aratra, ny fitsaboana, ny fianarana ambony lehibe manara-penitra sns,...Tsy nisy fanovana lehibe hita taratra ( grandes reformes) ngoavana entina hampirisihana ireo sehatr’asa maro samy hafa,...fa ny teo ihany no nampiahrina,...

Nisy anefa na tao anatin’ny ady sarotra nidiavin’ny firenena sy ny famaizana tsirariny(injuste) nataon’ireo iraisam-pirenena, ary voatery niara nitondra tamin’ireo mpanohitr’azy izay tsy mieritreritra afatsin’ny hamingana, dia afaka nisakana ny ady an-trano, nampandeha ny fiainam-pirenena arakan’ny tokony ho izy, ary nahavita nametraka zava-bita aza, indrindra toe-karena vonona hiarina.

« Ny lehilahy mahery sy kinga, dia izay tafarina ao anatin’ny sarotra,... »

Dia anjarantsika izany no mandinika ry Malagasy,...

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS