Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 18h38
 

Répondre à un commentaire

14 février 2017 à 12:25 | Dina RAMANARIVO (#5954)

Tsy misy ho antenaina ny vokatr’izao fahatratrarana mpanodikodina andramena izao. Mijanona eo amin’ny fanambarana mipoapoaka ataona mpitondra. Misaotra ny gazety nilaza ny vaovao. Fa hiarahantsika mahita indray fa tsy hisy ny ankoatra an’izay. Izay ihany no miverimberina eo. Toy ny rongony, vono zaza, ny taolampaty, ny mangady fasana tratra no afatotra dia iantsoana mpanao gazety fa ny atidoha mpampiasa ny taolana sy izay ampiasay taolana dia any ambadiky ny finoanoampoana sy misitery.

Raha ny zavatra vitan’ny tompon’andraikitra hatramin’izao no anombanana ny fahavononana sy ny fahaizana mamaha olana ka itarafana ny zavatra tokony antenaina aminy dia azo lazaina fa mitovy amin’ny mpinompino foana ihany ireo zay be fanantenana aminy.
Eo anatrehan’izany dia mila manova fomba fiady hevitra ny olom-pirenena. Ankaherezina ny Voahary Gasy sy ny namany amin’ny fanaraha-maso an’io hatramin’ny farany. Ankaherezina koa ny mpanao gazety hanjohy sy hampita ny ho tohin’izao ary hanadihady lalina kokoa raha azo atao. Raha ny tokony ho izy manko dia tokony atao mangarahara, avoaka amin’ny internet na amin’ny gazety ny antotan’isa mikasika ireo andramena nogiazana rehetra (ny isany, ny toerana misy azy avy, sns). Mitovy amin’ny finoanoampoana hoy aho ny fahalalana mikasika ny andramena rehefa fahalalana tapany no azon’ny vahoaka.

Fa ny tena finoanoam-poana dia ny fanantenàna ny mpitondra hanova zavatra nefa efa mibaribary fa voafetra dia voafetra ny fahalalany, ny fahaizany ary ny fahavononany hamaha ny olana mampikaikaika ny Malagasy eto amin’ny firenena nampanantenainy efa ela fa hovoavaha : jiro, rano, andramena, fandriampahalemana, ady amin’ny kolikoly, fanamboarana ny lalana Ambilobe-Vohémar sns, fanatsaràna ny fiainan’ny isantokantrano. Mitovitovy amin’ny zéro.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS