Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 08h21
 

Répondre à un commentaire

30 novembre 2016 à 12:12 | valoha (#7124)

Izao no vokatra nateraky ny fahantrana lavareny ! Mila tsy ho fantatry ny Malgasy intsony ny mety sy ny tsy mety ! Jadona eroa, fanamparam-pahefana etsy, hosoka ary, koly avo sy iva lenta etsy, vakifasana manerana Ny Nosy, sns...mila tsy ho voatanisa intsony - ny omby lany taranaka, ny volamena mivoaka tsy hitan’ny maso, ny tany lasan’ny vahiny tsikelikely,...
Izao dia lasa manodikodina volam-bahoaka ny sasany ! Efa nozarin’ny fratay sy ny vondrona iraisam-pirenena io fomba ratsy io mihintsy ny manam-pahefana eto sy ny @ tany andalam-pandrosoa hatry ny ela. Fa toa mibaribary tsy hay hafenina izy izao - lasa fahazaran-dratsy !
Ny mpitondra moa dia mamarotra ambongadiny mihintsy ny harem-pirenena @ ny fomba avo lenta sy feno hafetsena / lainga / diplomasia be / fandrebirebena ny saim-bahoaka. Toa ny frankofonia e ! toa ny mpanjakan’i maroka e ! izay Mody manao soa, fa ao ambadika misoka miadana an-kolaka hatrany ny harem-bahoaka ! Toa ny koreana t@ ny andron’ny sosialisma e ! Namely ny koreana ; namely ny fratay ;....sns...izao indray mamely ny sinoa ; ny karany ; ny marokana ; ny fratay mbola eo ihany fa famelezana avo lenta(mody manampy etsy sy eroa mba hambaboa ny fon’ny e gasy !). Ary azo lazaina fa adala izay tsy mamely antsika !
Ny Nosikely manodidina dia mody tsy nasiana resaka firy ; ny solika sy entona fandrehatra - tsy nisy nahasahy niresaka mihintsy ; ny volamena sy vatosoa - tsa nisy nikitika ; sns...
Izao misy mandroaka sy migafy sahady ny sinoa manerana e Nosy ! Hihiditra angamba ny fratay atsy ho atsy hanohy ny fitrandrahana sy haka ny tany be velarana fahiny(nostalgie) hovoleny ho biolojika ! Izany hoe ny fitondrana dia mihevitra antsika Tompon-tany ho ’paiso’ mihintsy !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS