Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 15h44
 

Répondre à un commentaire

2 décembre 2016 à 12:54 | lysnorine (#9752)

@ 28 novembre à 19:18 | papangue (#9623)
(Tohiny 3)

Misy fanazavana toy izao koa azo itarafana ny JINA, nomen’ny gôverinôra Robert Boudry, sekretera jeneralin’ny fanjakana kôlônialy hatramin’ny Nôvambra 1946, sady gôverinôra jeneraly vonjy maika teto Madagasikara hatramin’ny fiandohan’ny taona 1946 ka mandra-pahatongavan’ ny haut-commissaire vaovao, de Coppet, tamin’ny 19 Mey 1946 : nampahafantatra ny pôlisy tamin’ny volana Jona 1940 fa misy izany fikambanana miafina izany ao Manakara izay vita rafitra ny fifandraisan’ny mpikambana ao aminy ka nampidirana ny mpitsikilony. Kanefa toa tsy mba nampiasain’ny mpitsara mpanadihady (momba ny fikomiana tamin’ny 1947) ny anaran’ilay Antandroy nitantana azy. Marihina fa efa hatramin’ny taona 1930 no nitana toerana ambony teto Madagasikara i Robert Boudry – directeur du contrôle financier – izany hoe olona nahalala tsara foana ny toe-javatra maro, tsiambaratelon’ny fanjakana kôlônialy izy : tsy vinavinan-kevitra vokatra hoe fikarohana na fanadihadina nataony no ambarany fa zava-pantany fa tena nisy.

« A Manakara on se trouve en présence d’une véritable rébellion. Or on sait que dès juin 1940 la police avait signalé dans cette ville l’existence d’une société secrète, organisée sous forme de réseau, ET Y AVAIT FAIT ENTRER DES INDICATEURS. Le nom de l’Antandroy qui la dirigeait ne parait pas avoir été utilisé par l’instruction.
[Robert Boudry, J’ai témoigné au procès de Madagascar, Esprit, janvier 1949, p. 136.]

Nohamafisin’Itpkl. Ravelonahina koa ireo filazan-dRobert Boudry ireo raha nofotorin’ny mpitsara izy tamin’ny 7 ôktôbra 1948 : Ny tenako, hoy izy, no nampahafantatra voalohany indrindra ny lefitry ny lehiben’ny distrika – Guerrini – tamin’ny taona 1940 ny fitetehana fiokoana tany amin’ny faritra Manakara-Lokomby ka voasoroka soa aman-tsara.

« Dans tous mes discours pour les campagnes électorales ou autres, dans tous mes écrits, je n’ai jamais attaqué l’autorité française ni la colonisation française. Au cours de ma carrière d’agent d’affaires pendant 18 ans, j’ai travaillé pour le bien de la France, et je puis vous citer des témoins. Courant 1940, après la défaite de l’armée française, j’étais le premier à signaler qu’une rébellion était en préparation dans la région de MANAKARA-LOKOMBY ; M. Guerrini, actuellement procureur de la République à Fianarantsoa, était alors adjoint au chef de district de Manakara, et celui que j’avais prévenu de l’imminence de la révolte, qui put ainsi être évitée. [Procès-Verbal d’interrogation de Ravelonahina du jeudi 7 octobre 1948]

Talohalohan’ny fanapoahana ny fikomiana, dia Itpkl. Rakotondrabe Samuel, mpanao ny paraky « Bateravola » teto Antananarivo sy tany Fianarantsoa no nasandratr’Itpkl. Ravelonahina ho lehiben’ny JINA sy ny PANAMA sady jeneraly ambony indrindra hifehy ny hoe tafiky ny « mpikomy » (« généralissime »).

Rehefa aravona izany toe-java nisy izany, dia mazava fa ny fanjakana frantsay sy ny kôlônialista frantsay ihany no atidoha tompo marika tamin’ny fandringanana ireo Malagasy hoe matin’ ny « mpikomy » ireo, satria « mpikarama an’adiny » no nitarika sy nanentana ary namporisika ireo « mpikomy » ireo.

Ny amin’ny nandravana ny fananan’ny voanjo frantsay – na ny voay be izany na ny mamba kely sy ny kiringa mbany kiriolona izany- tamin’ny morontsiraka atsinanana sy tamin’ny faritry ny Farihy Alaotra, dia toa karazany efa nasaina nataon’ny « mpikomy » lasibatra mialoha ihany izy ireo, na mba hahazoan’ny tompony onitra goavana be, na koa efa notsiritin’ny namany sasany ihany ka ho lasa fananany rehefa matin’ny « mpikomy » ny tompony.

Tsarovana fa dieny ny volana Jona 1947 dia efa nitaky VOLA BE (100 tapitrisa FCFA) ho fanampiana vonjy maika sy hanonerana ny voanjo tra-boina ny depioten’ny « citoyens français » Roger Duveau ary mbola nampakarin’ny depiote Jules Castellani, mpamboly kafe voay be mpanjakazaka sy tompon-daka tamin’ny faritra Manakara, ho 500 tapitrisa FCFA (500,000,000) tamin’ny faran’ny Desambra 1947, izany hoe 850, 000, 000 F frantsay (na francs métropolitains) tamin’izany fotoana izany, izay mitovitovy lanja amina...valo ambin’ny folo arivo tapitrisa dolara amerikanina sy iray tapitrisa tamin’ny taona 2015 na US$ 18,100,000,000.(2015) !

Azo heverina fa mety hampahazava bebe kokoa ny tantaran’ny « fikomiana » ny hivoasan’ny mpikaroka momba ny tantara, amim-pahamatorana, ny lisitry ny voanjo tra-boina nahazo fanonerana sy ny lasa kamboty noho ny fanafihan’ ny « mpikomy » ka very fananana tamin’iny morontsiraka atsinanana iny sy ny faritra manodidina ny Farihy Alaotra.

(Hotohizana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS