Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 06h45
 

Répondre à un commentaire

2 décembre 2016 à 12:32 | lysnorine (#9752)

@ 28 novembre à 19:18 | papangue (#9623)

(Tohiny 2)

Mety ny miato kely eto mba hanamasahana ny fanontaniana tena foto-javatra, dia ny hoe :

Iza marina moa no tena nibaiko sy mpibaiko ary namporisika ireo hoe « mpikomy » lazain’ny Frantsay fa tena namono ny Malagasy be an’isa tamin’ny 1947-1948 ireo ?

Avy aiza no fiavian’ny VOLA nampividianana sy nampanjairana ny lamba fotsy nataon’ny « mpikomy fehiloha » mba mari-pifamantarany, mbany ny sarin’ampinga kelin’i Madagasikara sy fo miloko mena, sy nampanaovina fitombo-kase MDRM nampiasain’ny mpikomy mpitana birao sy mpanao taratasy tany an’ala ?

Ny fanefena ny lefona misy soratra hoe MDRM moa dia efa tratra fa kôlônialista tany ANJOZOROBE no isan’ny nampanao azy mbany ORINASA kôlônialista vitsivitsy izay mbola misy miasa eto an-toerana mandrak’ankehitriny ! Raha tsy diso izahay toa tsy mbola nisy nandalina ny amin’ izany ny mpikaroka sy mpanoratra momba iny « fikomiana » iny .

Araka ny fantatry ny sarambaben’ny tompon-tany malagasy niaina tamin’ireny fotoana ireny aloha dia « FAOREBELA » ireo « mpikomy » ireo, araka ny anarana eso nanondroany azy ireo, sady, mazava ho azy, fa NATAHORANY izaitsizy. Tsy nisy tsy nahafantatra koa fa ny fikambanana hoe « miafina » PANAMA (Parti National Malgache), izay efa nalaza hatry ny ela ihany ny fiorenany tamin’ny andron’ny marosaly Pétain, tamin’ ny Ady Lehibe faha-2, sy ny naha-mpitsikilo, « indicateurs-ny Sûreté générale » ny maro tamin’ny « tanora » mpikambana tao anatiny, tahaka ny Frantsay taratasy mpianatra tao amin’ny Lycée Galliéni !, etsy an-daniny ; sy izany hoe JINA (Jeunesse Idéaliste Nationaliste ?) izany, na JN (Jeunesse nationaliste), na JN 5 (tsy mihoatry ny dimy ny isan’ny mpikambana amin’ny vondrona iray), izay vao vaovao kosa, etsy an-kilany, dia ireo fikambanana roa samy zanaky ny fanjakana kôlônialy sy ny kôlônialista frantsay ireo, no nasainy nanapoaka ny « fikomiana » tamin’ny 29 Martsa 1947, ka ny anaran’ny depiote Ravoahangy sy Raseta ary ny MDRM no NISANDOHANY, nanambakàny ny olona tso-pisainana na diso nafana fo loatra, ahazoana mandrava sy mamono azy ireo. Ankoatr’izany dia tsy nitsahatra nanely tsaho ireo mpampikomy ireo fa efa nifampiraharaha tamin’ny Amerikanina na firenena vahiny hafa ny depiote Malagasy ka tsy ho ela dia ho tonga hanampy ny mpikomy ny tafika avy amin’ireo firenena ireo !

Ny PANAMA moa dia écrivain-interprète tao amin’ny kabinetran’ny gôverinôra jeneraly misahana ny raharaha miaramila (cabinet militaire) – Itpkl. Andriamiseza Lucien - no hoe nanorina sy nitarika ary nanentana azy.

Ny JINA, izay ny anaran’izany vorona atahorana any amin’ny faritany atsimo sy atsimo atsinanana atao hoe « JINY » izany, hono, no tena izy, araka ny fanitsiana taty aoriana ela be (1963), nataon’ny mpanorina azy, dia Itpkl. Ravelonahina Edmond, mpitsikilon’ny Sûreté générale fanta-daza hatrany amin’ny taona 1928-1929. Tao amin’ny biraon’ny Direction des Affaires Politiques (Vanden) no nanorenana ny JINA, hoy ny tatitra natao-na-mpitsikilo iray - RATSIMBA Pascal - tamin’ny « Travaux du colloque organisé par l’Académie Malgache à l’occasion du 40ème anniversaire des événements de 1947 » :

« le JINA fondé par Edmond RAVELONAHINA dans les locaux du service des Affaires politiques à Antaninarenina (au bureau de M. VANDEN) avait pour mission de déclencher le mouvement du 29 mars 1947 »
[« 29 Mars 1947, Déclenché par qui et pourquoi ? », Midi Madagasikara, N° 1092, 5ème année, Samedi 28 Mars 1987, p.4].

Ary araka ny fanjohiana ny fitantaran’ny tenan’Itpkl. Ravelonahina ihany, dia tokotokony ho tamin’ny faramparan’ny volana Martsa 1946, na voalohandohan’ny volana Aprily 1946, taorian’ny niorenan’ny MDRM tamin’ny Febroary 1946 no natsangany ny JINA :

« Mpikambana isany mafana fo tao amin’ny MDRM aho hoy Ingahy Ravelonahina, sady isan’ny mpanetsiketsika. Rehefa hitako anefa fa diso fanantenana ny Firenena, dia nanorina fikambanana miafina aho, ka JINY no nataoko anarany mba hampivarahontsana ny Colonialiste. Ireo mpikambana MDRM diso fanantenana tahaka ahy no notaomiko. »

(Joëlson RAKOTOMALALA, Zava Nafenin’ny 29 Marsa 47, Boky fahatelo, Madprint, 1983, p. 23).
(Hotohizana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS