Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 15h34
 

Répondre à un commentaire

2 décembre 2016 à 11:52 | lysnorine (#9752)

@ 28 novembre à 19:18 | papangue (#9623)

« VOUS, les passants, qui ne réagissent pas ! Honte à vous ! [...]

« En huit ans de proconsulat, GALLIENI pacifie la grande île, procédant à sa colonisation. Au total, la répression qu’il mène contre la résistance du peuple malgache à sa colonisation fera entre 100 000 et 700 000 morts pour une population de 3 millions. » Stephen Ellis L’insurrection des menalamba.Une révolte à Madagascar (1895-1898) :
« Rien que l’insurrection Menalamba fera entre 50000 et 100 000 victimes malagasy »

Misy vesany mafonja dia mafonjo izao itrangan’ny famosahana tarehi-marika samy hafa izao momba ny fandringanana tambabe (GÉNOCIDE) ny tompon-tany Malagasy nataon’i Frantsa nandritra ny 65 taona nanjanahany an-keriny an’i Madagasikara tanindrazany, indrindra moa nandritra ilay fotoana hoe nikomian’ny Malagasy, niantomboka tamin’ny 29 Martsa 1947 ka hatramin’ny faran’ny taona 1948.

Miala tsiny raha voatery mamerina kely eto aloha ny tantaran’ny tarehi-marika momba ny mponina teto Madagasikara izay mampiharihary io FANDRIPAHANA ny Malagasy nataon’i Frantsa io, hatramin’ny nidirany teto tamin’ny 1895. Vao omalin’ny omaly ireo tarehi-marika ireo no nampahatsiahivinay teto amin’ity sehatra ity ihany, tao amin’ny hoe :
« Iles éparses-Interpellation de Hery Rajaonarimampianina »
samedi 26 novembre |
28 novembre à 11:01 | lysnorine (#9752)
http://www.madagascar-tribune.com/Interpellation-de-Hery,22699.html

Toy izao no fivakiny :

« Manodidina ny 4,500,000-5,000,000 no isan’ny mponina hatramin’ny fanisam-bahoaka voalohany tamin’ny andron-dRadama 1 ka hatramin’ny 1881 nisiana fanisam-bahoaka nataon’ny fokon’olona. (P. Boiteau, Contribution à l’histoire de la nation malgache, Éditions Sociales 1958 : Bilan de soixante années de colonisation p.306).

« Io tarehi-marika manodidina ny 4,000,000 sy 5,000,000 io ihany koa no voalazan’ny mpanoratra maro tamin’ny zato taona faha-19 toy : Samuel Copland (1822) , Rev. Ellis (1838), Rev. Freeman, David Johns (1840) ; Julius Kessler(1872).

« Mbola dimy tapitrisy (5,000,000) ihany koa no voalazan’ny Annuaire de Madagascar frantsay tamin’ny 1890. Ary tsy latsaky ny DIMY na ENINA tapitrisa (6,000,000) no nambaran’ny ministry ny Raharaham-bahiny frantsay Hanoteaux ho isan’ny mponina teto Madagasikara tamin’ny 1894, talohan’ny nanafihan’i Frantsa farany azy. (Chambre des Députés, séance du 23 novembre 1894, JO p. 1979).

« Araka ny fanisam-bahoaka nataon’ny fanjakana kôlônialy tamin’ny 1902 anefa, dia 2,550,000 sisa ny mponina, izany hoe : Nihena 2,450,000 (na 49%) hatramin’ny nidiran’ny Frantsay teto Madagasikara, raha ekena fa 5,000,000 izy talohan’ny ady farany tamin’ny frantsay (1895).

« Izany hoe VERY SASAKA latsaka kely izany (FARA FAHA-RATSINY) ! Manamafy izany maha-fongana ny Malagasy izany ny vokatry ny ny fanisam-bahoaka taty aoriana izay mampiseho ny tsy fitomboany isa firy nandritra ny... 24 taona teo anelanelan’ny taona 1912 sy 1936 :
1912 : 3,710,806 ;
1936 : 3,777,951.
« Izany hoe raha alaina an-keviny dia...0.0747% isan-taona no fitombony, izany hoe NIHENA izy izany nandritra ny taona maro. Tamin’ny taona 1960 - izany hoe 65 taona taorian’ny nanafihan’ny tafika frantsay an’i Madagasikara (1895) ka nahalasa azy zanatany frantsay (1896) - vao tafaverina ho dimy tapitrisa indray ny mponin’i Madagasikara araka ny tarehi-marika avy amin’ny Banky Mondialy. (1960 : 5,099,370 -http://data.worldbank.org/indicator/SP.POP.TOTL). »

Heverinay fa miteny ho azy ireo tarehi-marika ireo ny amin’ny vokatry ny fanjanahan’i Frantsa an’i Madagasikara, ary tsy misy izay mandanja azy ireo amin’ny mizana tsy mandainga ka afaka handà ny nisian’izany fandriganam-bahoaka tambabe izany.

Raha hitodihana indray ny tarehi-marika momba ny aina Malagasy nafoy nandritra ny hoe « fikomian’ ny Malagasy » tamin’ny 1947-1948, izay voalaza ho mitentina an’alina maromaro, dia misy karazana tsato-kazo ireto ahazoan’ny taranaka ankehitriny mamakafaka sy mampitaha ny voalazan’ny fanjakana kôlônialy sy ny mpanoratra samihafa taty aoriana mba tsy haha-voafahan-dalitra azy.

Voalohany indrindra ny tarehi-matika manodidina ny sivy alina voaripaka nandritra ny volana maromaro taorian’ny 29 Martsa 1947, dia avy amin’ny ny tompon’andraikitra frantsay ihany no nivoahany dieny tamin’izany fotoana izany (1948), fa tsy avy amin’ny Malagasy velively akory izay mazava ho azy fa tsy afaka hanombatombana ny amin ’izany akory na tapìny aza !

(1) Sivy arivo sy valo alina, 89 000 , no nambaran’ ny jeneraly Pierre Garbay lehiben’ny tafika frantsay teto Madagasikara niantomboka tamin’ny Jona 1947 tamin’ny solontenan’ny « Assemblée de l’Union française » nanadihady azy tamin’ny faramparan’ny taona 1948, araka ny nampahatsiahivin’ ny mpanoratra iray etsy aloha (« Isambilo ») ;

(2) Sahabo ho valo alina, 80 000 no isan’ny maty, raha tany ka azo atao ihany ny manonona tarehi-marika, hoy kosa ny haut-commissaire de Chevigné tamin’ny kabariny tao amin’ny « Assemblée représentative de Madagascar » tamin’ny 21 febroary 1949, fa ny telo ampahefany (3/4), hono, na enina alina, 60 000, teo ho eo izany, dia noho ny nafitsoky ny Malagasy « mpikomy » ihany no naha-voajedana ireo « Malagasy » mitovy aminy ireo :

« Si la rébellion a fait hélas ! beaucoup de victimes – peut-être 80 000 POUR AUTANT QU’ON PUISSE CITER UN CHIFFRE – l’immense majorité de ces victimes ne sont pas tombés sous les coups de ceux qui ont rétabli l’ordre et la paix. Plus des trois quarts ont péri du fait des rebelles. » Discours de de Chevigné à l’Assemblée représentative de Madagascar, 21 Février 1949 (JO du 12 mars 1949) ;
[hotohizana]

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS