Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 17h58
 

Répondre à un commentaire

30 novembre 2016 à 12:22 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Minia nihezaka nanaja ny fahanginana no noheveriko fa fitsipi-pitondrantena sahaza ho ahy nandritry ny vanimpotoana nandraisan’ny mpitondra politika tompopahefana ireo vahininy izay nasainy tonga nirodorodo nanontrona azy teto.

Izy no nandray vahiny, izy no nanomana ny fandraisana, izy no nikononkonona izay nataony tao, izy no nisahana ny fitantanana ny fandaniana izay nataony tao, tsy mahatsiaro ho manan-draharaha sy tomponandraikitra amin’izany aho, eny fa na dia mpandoa hetra aza ny tena, inona no moa no azo atao, izy no manana ny fahefam-panjakana sy ny hery, azy ny voninahitra, hatramin’izay ka hatreto, ny vahoaka efa revo sy latsaka ao anatin’ny fotamandrin’ny fahantrana, maro no fadiranovana, rendrika ao anatin’ny torimasom-pahatrana sy ny fahatrotrahana ny vahoaka, tsy misy afatsy ny fahaiza-mihonona no hany fialofana.

Fanontaniana tsotra no apetrako : rariny sy mendrika ve ny nanaovana fandaniana ara-bola sy ara-potoana, sy famondronam-pahefana sy fampirantian-kery toy ireny nandritry ny herinandro manoloana ny fahasahiranana sy ny jaly ary ngidim-piainana manjo ny maro an’isa amin’izao fotoana izao ?

Sa kosa efa samy manana ny rariny mety aminy ny tsirairay, ka aleo izay manankery no aleo hanampatra ny sitrapony ?

Amiko, tsy amim-pihambahambana no hilazako fa ny fanatanterahana iny dia manamafy ny fifanilikilihina sy ny fizarana ara-piarahamonina eto antoerana.

“Manemitra ivelany toa tandro-trano, miainga ho avo, ka mandry irery”

Mankasitraka Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS