Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 17h10
 

Répondre à un commentaire

18 octobre 2016 à 11:31 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Dia ahoana moa izany ny amin’ireo trano nitritra sy nivava eny Fiakarana vokatry ny fanapoahana vanja mahery nentina nitrandrahana akora fototra hanamboarana ireo fotodrafitrasa ireo ? sa tsy natao ho voakasikiny ny tamberin’andraikitra vokatry ny hamehana amin’ny fampiharana ny fahefampanjakana izy ireo ?

Dia gaga tokoa ny mponina fa ao amin’ny Fokontany Soamanandray, eo amin’ilay làlana miainga avy eo Ambatolaona mankany Ambohidratrimo iny no misy io Fokontany io, dia misy toerana fitobiana ho an’ny sinoa, ary herinandro izay dia tonga ao amin’io toerana io ny milina sy fitaovana marobe tokoa, mandeha ny feo fa ireo ilay fitaovana nampiasaina teny Soamahamanina. Ary dia efa betsaka tokoa ny sinoa mifamoivoy mitondra fiara tsy mataho-dàlana mandalo eny antoerana ; teraka ny tebiteby sy ahiahy izao fa mety handalo fotoan-tsarotra indray izany Imarovatana.

Mankasitraka Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS