Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 23h28
 

Répondre à un commentaire

22 septembre 2016 à 21:41 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Miantso antsika rehetra Malagasy izay mbola mahatsiaro fa sarobidy sy tsy azo sandaina na atao lokan’ady sy kinanga na hoverezina anatin’ny fotamandrin’ny antemaka ny fanehoana ny fitiavana ny Tanindrazana sy ny Firenena.

Diniho sy tombano amim-pahatoniana daholo ny fanehoan-kevitra voasoratra etsy ambony, dia aoka isika handinika raha maritombina ny fanontaniana mendrika hiarahana mandinika na tsia :

• Satria ve tsy laharam-pahamehana ho an’ireo tompo-pahefana mahefa sy mpizaka ny fitantanana ny fahefam-panjakana ny fangatahana ireo vondronosy ireo, dia midika ve izany ho antsika fa tokony hahay hionona sy hanaiky ny safidy sy ny fijerin’izy ireo isika ? manana zo haneho ny tsy fitoviankevitra manoloana ny zotra sy ny rindrandamina apetraky ny mpitarika ve ny entina ?

• Tokony hiandry ny fandrosoan’ny Firenena Malagasy sy ny fananana ny hoenti-manana amin’ny fitantanana sy ny fitrandrahana ny otrikarena voatahiry ao amin’ireo vondronosy ireo ve isika vao haneho ny fanohizana ny fampiharana ny fanapahankevitry ny firenena mikambana tamin’ny 1979 mikasika ny zo sy fanekem-pisitrahana ny maha-Malagasy ireo vondronosy ireo ?

• Azo raisina ho famadihan-tanindrazana tsotra izao ve ny TSY fandraisana fanapahankevitra manoloana ny fangatahana ho fizakam-pirenena ireo vondronosy ireo ho fanajana ny tombondahiny efa natolotry ny firenena mikambana ?

Tsotra ny hevitro : adidintsika rehetra mbola manana fietanam-po hampandroso ny Firenena ny fitakiana ny fizakana ny maha-malagasy ireo vondronosy ireo, ary amin’izao fotoana izao no tokony hanamafisana orina izany fangatahana fitakiana izany, tsy hiadiankevitra intsony ny hoe ampahan’ny Firenena Malagasy izy ireo, efa ny fifampidinihana amin’ny firenena frantsay ny amin’ny famerenana ireo vondronosy ireo no toromarika nomen’ny firenena mikambana tamin’ny 1979, ary na ho ela na ho haingana dia tomponandraikitra feno amin’izany ireo izay afaka nandray fanapahankevitra tamin’izany nefa nandao ny andraikiny.

« Hianareo no natao masoivoho, hidin-trano miantoka ny alina »
“Ny olona marina toy ny ombalahy ampandronjinana : tsy folaka anio, tsy maty mandrakizay”

Mankasitraka Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS