Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 13 juin 2026
Antananarivo | 14h46
 

Articles écrits par « Penjy R. »

  • Kaominina sy fanjakana

    Alamino sao mikorontana, hoy Ramampy Zenaïde

    mercredi 10 septembre 2008 | Penjy R. |  1058 visites
    Raha tena mipetraka eo amin'ny fanjakana sy ny kaominina ny fitiava-tanindrazana, dia tokony ahay hifandamina izy ireo. Tsy izao fifandirana isaky ny masoandro miposaka izao no heverina fa ahafahana mampandroso haingana ny tanàna. Io no fanambarana nataon-dramatoa Ramampy Zenaïde, filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena teo aloha ary mpikambana tao amin'ny TIM. Matahotra ny hisian'ny korontana ny tenany, satria toy ny vao omaly ny zava-nitranga nandritra ny raharaha 2002 ireny. Izao sahady (…)
  • Fanehoan-kevitra

    Tsy mila mpanakorontana ny TIM

    lundi 8 septembre 2008 | Penjy R. |  681 visites
    Mitohy ny asa ataon'ny antoko Tiako I Madagasikara. Tsy maintsy voapetraka hatramin'ny faran'ny volana Oktaobra izao ny rafitra rehetra. Misokatra ho an'ny olona tsara sitrapo ny fampandrosoana, saingy tsy hiaraka amin'ny mpanakorontana. Io no nambaran'ny filohan'ny TIM Ivan Randriasandratriniony ny sabotsy teo tetsy Ankorondrano. Namaliana avy hatrany ireo resabe nandeha teto amin'ny tanàna tao ho ao ihany koa io fihaonany tamin'ny mpanao gazety io. Aoka tsy hialokaloka amin'ny tsy (…)
  • Fanadihadiana tao Antsiranana I

    Tsy avela ho potehin’ny Politika ny tanàna

    lundi 1er septembre 2008 | Penjy R. |  1083 visites
    "Malahelo aho, raha isaky ny hiarin-doha ny tanàna no misy ny hetsika politika hanapotika ny kaominina. Aoka tsy ho faralahin'ny kaominina izahay eto amin'ity Antsiranana I ity". Io no nambaran'ny ben'ny tanàna ao amin'ity kaominina ao Antsiranana ity, ingahy Johary Houssen Alibay. Maro ireo tetikasa atao ao amin'ity kaominina ity, ary voalaza fa asa tsy vita nandritra ny 20 taona no efa andalam-pahavitana ankehitriny. Isan'io ny fanamboarana ny seranan-tsambo ao Antsiranana. Ny fanaovana (…)
  • Antananarivo

    « Aza potehina ny safidin’ny vahoaka 60% », hoy Rabesahala Gisèle

    vendredi 29 août 2008 | Penjy R. |  1035 visites
    Mipetraka ny savorovoron-tsaina noho ny fanakendana ny kaominina eto andrenivohitra. Tsy avy amin'ny safidin'ny mponina na ny mpitantana ny tanàna, fa ny fihetsika ataon'ny fitondrana no mahatonga izany. Tsy fandranitana na fanakorontanana no hitenenako, hoy ramatoa Gisèle Rabesahala, fa amin'ny naha-mpitantanana ny tanàna teto Iarivo ny antoko nisy ahy, dia ny AKFM izany. "Misy ny fanerena sy ny ankivy atao amin'ity tanàna ity. Ny vola tsy notrosainy sy tsy nampiasainy ve no asaina aloany (…)
  • Tokony ho matotra ny ben’ny tanàna

    vendredi 29 août 2008 | Penjy R. |  950 visites
    Mihazakazaka ny asa atao eto Madagasikara. Manana andraikitra lehibe amin’io ny eo anivon’ny ministeran’ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana. Midika asa goavana ny anton’ny nanakambana ireo ministera roa ireo ho iray. Manana andraikitra goavana eoanivon’ny faritra sy ny distrika ary ny kaominina ity ministera ity. Ilaina ny fidinan’ny fanjakana eny anivon’ny vahoaka mijery sy manara-maso izay filan’ny mponina eoamin’ny foto-drafitrasa isan-karazany. Ilaina noho izany ny fiaraha-miasan’ny (…)
  • Tsy ho lasa rano

    mardi 26 août 2008 | Penjy R. |  572 visites
    Malaza indray ny fanomezana rano fisotro madio ny vahoaka eto Madagasikara. Mihetsika mitady fanampiana hatrany ivelany ny mpitondra fanjakana. Napetraka ny ministry ny Rano, ary maro no nanohina ny antso ireo firenena any ivelany fa hanampy an'i Madagasikara. Ny 15% ny vahoaka Malagasy no tsy mahazo rano fisotro madio, ka ny renirano na rano miangona na lava-drano no hivelomana. Tsy ho gaga isika raha maro no tratrin'ny aretina toy ny lagaly, na areti-kibo ho an'ny zaza vokatry izay rano (…)
  • Kolontsaina Malagasy

    Apetraho ny rafitra hitaizana ny ankizy

    mardi 26 août 2008 | Penjy R. |  748 visites
    Miha-potika ny soatoavina Malagasy, ka na ny resaka famadihana aza toa heverin'ny hafa fa fandaniam-bola fotsiny. Andraikitra iray miandry ny olon-kendry rehetra ny famerenana amin'ny laoniny ity soatoavina Malagasy ity. Ingahy Rabesata Arima, mpanoratra ny boky Alimanaka Malagasy, no naneho ny ahiahiny ny mety aharendrika ny fomba amam-panao Malagasy raha tsy mitandrina isika. Taorian'ny nampidiran'ny mpanjanaka ny fivavahana teto Madagasikara no nanomboka very tsikelikely teo amin'ny (…)
  • Potika ny maha-Malagasy

    mercredi 20 août 2008 | Penjy R. |  951 visites
    Ny loza faran'izay ratsy rehetra no indro fa mipoitra tsikelikely eto Madagasikara. Raisina amin'io ny loza mahatsiravina nataon'ilay Polisy ny zana-badiny ny faran'ny herinandro teo. Ny zana-badiny izay vao 6 taona monja no naolany sy novonoiny ho faty, ary nariany teny amin'ny fasam-poana etsy Anjanahary. Rà latsaka, tsy maintsy misy todiny. Tratra rangahy, ary tsy maintsy handray ny vokatry ny nataony ity nahavanon-doza ity. Raha tsiahiviny fohy ny tantara, dia ny sabotsy teo no hita (…)
  • Tsy nitsanga-menatra

    mardi 19 août 2008 | Penjy R. |  744 visites
    Raraka avokoa ny atleta gasy nilalao tany Beijign. Midikaio, fa mangoron'entana, ary aty antanindrazana indray mijery ny lalao tohiny any amin'io firenena io. Tsy nampitsanga-menatra ny nahita ny ezaka nataon'ireto mpilalao ireto. Samy nisento tokana ihany koa ny Malagasy maro nahita ny anaran'ny Madagasikara, sy ny sainam-pirenena Malagasy, teo ampiangana nandritra ny hazakazaka 100 metatra misy fefy nataon'i Berliozy. Midika io fa misentyo ho an'ny tanindrazana ny saina sy ny fo rehetra. (…)
  • Aretin’ny homamiadana

    Sitrana eto an-toerana ny 50% ireo marary

    samedi 16 août 2008 | Penjy R. |  2009 visites
    Tsy izay voan’ny homamiadana dia ho faty. Mahasitrana izany isika, saingy ny fitsirihana no mila atao mialoha, raha vao mahita ho tsy mety amin’ny vatany ny olona iray. Ny mampalahelo, dia ny tsy fahampian’ny fitaovana entina mitsabo. Fanazavan’ny mpitsabo etsy amin’ny HJRA io ny alakamisy teo. Maro ny olona no tsy mahalala ity aretina ity. Izay no hanaovan’ny AROM “ Association d’appui à la Radiothérapie et l’Oncologie” hetsika mba ahafantaran’ny vahoaka izany. Voalaza fa ny nono sy ny (…)
  • Teny zato kabary arivo

    Karakarao fa mivoraka

    jeudi 14 août 2008 | Penjy R. |  956 visites
    Vanim-potoana fialan-tsasatra izao. Maro ny mponina no mandeha any amin'ny faritra maro samy hafa eto Madagasikara. Toy izany koa ireo vahiny izay tonga eto. Isan'ny mampiditra vola vahiny betsaka ny tahaka izany. Mety hampihemotra ny vahiny anefa ny fandrenesana ny fiparitahan'ny aretina maro samy hafa eto. Isan'io ny vokatry ny firaisan'ny lahy sy ny vavy. Ny SIDA sy ny sifilisy izay heno tao ho ao fa mahazo vahana any amin'ny faritra. Manampy trotraka io ny resaka tsy fandriam-pahalemana. (…)
  • Mifandrangitra

    mercredi 13 août 2008 | Penjy R. |  706 visites
    "Hitohy ny hetsika. Tsy amelanay raha tsy tafahaona amin'ny vahoaka eto andrenivohitra izahay fikambanan'ny mpanohitra miray. Tafiditra ao anatin'ny vovonay ny fanjakana, ary tsapa fa matahotra ny hivoahan'ny marina ry zareo". Lahateny nataon-dry Daniel Ramaromisa sy Marson Evariste ary ny Profesora Zafy Albert io ny alatsinainy teo. Tao anatin'ny hetsika izay saika hikabarian'izy ireo tamin'ny vahoaka tetsy amin'ny tranompokonolona Analakely. Taitra ny rehetra, fa vory lanona tao Analakely (…)
  • Teny zato kabary arivo

    Fanjakan’ny Baroa

    mardi 12 août 2008 | Penjy R. |  812 visites
    Be ny mpanararaotra, fa ny fanaraha-maso koa no tsy ampy. Samy manao izay heveriny fa mety ny rehetra. Izay angamba no heverin'ny sasany fa fahalalahana. Raha vao mandre ny rehetra fa miakatra ny vidin'ny solika, dia ny mby ao antsain'ny rehetra, dia ny ho fiakaran'ny saran-dàlana avy hatrany. Niakatra ny asabotsy teo ny ankamaroan'ny saran-dàlana manerana an'i Madagasikara. Nahatratra 30% ny fiakatry io saran-dàlana io. Sahirana ny mpandeha maro manoloana izany, satria nisy ny tsy nanam-po (…)
  • Adala ao Anjanamasina

    Namosavy dia lasa adala

    lundi 11 août 2008 | Penjy R. |  1981 visites
    "Efa aty amin'ny toeran'ny fitsaboana saina aho vao tonga saina. Tsaroako anefa fa ny fivoahako alina no nahatonga izany. Io no nahatonga ahy ho ety amin'ity toerana fitsaboana ny marary saina ity". Fanambarana nataon'ity ramatoa kely iray ny asabotsy teo teny Anjanamasina io. "Mivoaka alina aho, ary maka ireny voninkazo eny amin'ny fasan'olona ireny. Mandihy ihany koa ary nilalao fanafody gasy. Tsy tsaroako intsony izay nahazo ahy, fa nampidirin'ny havako ety aho mitsabo tena. Manambady, (…)
  • Kaominina Ambanivohitra Andranomiady

    Mahantra jerena, fa be arena miafina

    vendredi 8 août 2008 | Penjy R. |  1469 visites
    "Tsy avela ho faralahy, fa ho vavimatoa". Fanirian-dramatoa ben'ny tanàna Rafarahaniriana Olivia eo amin'ny kaominina hiadidiany io. Antakavana, toerana iray any amin'ny distrikan'Ankazobe ato anatin'ny faritra Analamanga. Toerana lavitra andriana ary mafana amin'ny asan-dahalo. Noho ity kaominina ity ahiana ho fongana atsy ho atsy noho ny rano mikaoka mandavan-taona ny tanàna, dia nafindra ao Andranomiady ny renivohitry ny kaominina. Maro no tsy dia faly amin'izao fanapahan-kevitra izao ny (…)
  • Fonjan’Ankazobe

    Kongona 12 kapoaka no mihinana ireo gadra

    vendredi 8 août 2008 | Penjy R. |  1792 visites
    Manaova ny marina. Làlana iray tsy ahatafiditra anao any amponja io. Maharikoriko ny zava-misy ao amin'ny fonjan'Ankazobe. Lanin'ny kongona ireo voafonja, ka ny tompon'andraikitra misahana ny fahasalamana ao an-toerana no miditra an-tsehatra mamono izany amin'ny alalan'ny DDT. Isaky ny efa-bolana no hanaovana izany isan-taona, ary mahatratra 12 kapoaka no maty rehefa voahangona. Voalaza fa misy amin'ireo voafonja ireo ny manao asa ivelan'ny fonja. Mihoron-koditra noho izany ny mponina, (…)
  • Sinôda Fjkm

    Hifidy birao vaovao

    mercredi 6 août 2008 | Penjy R. |  901 visites
    Hanomboka ny 13 Aogositra izao ny sinoda lehiben'ny FJKM. Any Mahajanga no hanaovana izany, ka hifarana ny 20 Aogositra. Mpandray anjara mahatratra 400 avy amin'ny sinoda 36 manerana an'i Madagasikara no ho tonga any. Ity fivoriana lehibe ity no hifidianana izay ho mpiandraikitra foibe, sy izay ho filohan'ny FJKM vaovao. Ireo mpizaika no hifidy iretsy mpiandraikitra foibe, ary ireo indray no hifidy izay ho filohan'ny FJKM avy eo. Anarana maro no re fa hilatsaka handray ny toeran'ny pasitera (…)
  • Teny zato kabary arivo

    Ny ivelany fotsiny no kanto sy meva

    mercredi 6 août 2008 | Penjy R. |  738 visites
    Ny ivelany fotsiny no kanto sy meva Aoka tsy hijery ny hitan'ny maso, fa hidiro lalina ahitana ny tena olana. Fanirian'ny mponina eto andrenivohitra ny andehanan'ireo tompon'andraikitra eto amin'ity tanana ity any amin'ireo tanana maro eto andrenivohitra. Toy ny natao tamin'ireny fampielezan-kevitra ireny, izay saika voatety tao anatin'ny tapa-bolana monja ny fokontany 196. Izay mahavangivangy tian-kavana. Olana toa tsy mba misy mpijery ny mahazo ny faritra maro eto andrenivohitra. Tanana (…)
  • Nahazo ny anjarany

    lundi 4 août 2008 | Penjy R. |  638 visites
    Azo ny tso-drano. Ho atao laharam-pahamehana amin'izay ny fanatanjahan-tena Malagasy. Io no nambaran'ny filoha Ravalomanana ny faran'ny herinandro teo. Nandritra ny lanonana natao teny Iavoloha ho fitsofan-drano ireo tanora hiatrika ny lalao Olimpika any China. Nifanohitra tamin'ny teny tany aloha ny teniny tamin'ity indray mitoraka ity, izay nilazany fa tsy laharam-pahamehana aloha ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina raha nanova Governemanta izy . Tsara izany, satria afaka manantena ny (…)
  • Hita ny sambo Tropicana II

    Feno fofo-paty ny manodidina

    lundi 4 août 2008 | Penjy R. |  2034 visites
    Lakana mpanjono sendra nandalo no nahita ny sambo Tropicana II. Rendrika tao amin'ny ranomasin'i Maroantsetra, ka telo kilaometatra miala an'ny nosy Manga no nahitana azy omaly maraina. Hatramin'ny telo ora hariva, dia mbola tsy nisy ny fisintomana ity sambo ity satria tsy ampy ny fitaovana. Ny vahoaka teo amin'ny manodidina no nandray andraikitra voalohany, ary efa nanaovana antso avo ny tompon'andraikitry ny filaminana rehetra, saingy mbola taraiky hatramin'ny ora hanoratanay. Feno (…)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}