Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 23h22
 

Malagasy

Famindram-pahefan’i TIM

Voasazy ireo nanala-baraka

samedi 13 octobre 2007 | Naivo kely

Teo anatrehan’ny solotenan’ny mpikambana TIM avy amin’ny lafy valon’ny nosy no nanaovana ny famindram-pahefana teo amin’i Razoarimihaja Solofonantenaina filohan’ny TIM teo aloha sy ny filoha vaovao Ivan Randriasandratriniony hitondra ny fanevan’ny antoko. Ity minisitry ity izany no voahositra hanome aina vao ny TIM, ary hametraka ireo rafitra ao anatiny mbola tsy tafampetraka, izay miainga amin’ny kongresy nasionaly. Io omaly io dia nisy ny fandroahana mpikambana izay heverina fa nandoto ny hasin’ny fikambanana ka isan’io ny loholona Joseph Yoland sy ny namany Jean Clément. Tsy voahisy resaka tao kosa ireo namany hafa toy an’i Ranjivason Jean Théodore, Didier Rakotoarisoa sy ireo namany nanangana ny CRTIM. Ny filoha teo aloha Razoarimihaja kosa dia mbola mijanona ao anatin’ny birao politikan’ny TIM. 

Tsara ny milaza fa nametram-pialana ity filohan’i TIM ity fa tsy noesorina araky ny feo mandeha tetsy sy teroa, ary natrehan’ny mpikambana maro tao anatin’ny governemanta sy ireo filohan’ny faritra maro ity lanonampifan-dimbiasan-toerana eo amin’ny samy TIM ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS