Madagascar Tribune | Vazaha naiditra am-ponja
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
samedi 19 juillet 2008
 

 > Malagasy

Ambositra

Vazaha naiditra am-ponja

samedi 10 mai 2008, par Nivo T. A.
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=

Omaly no nentina tany amin’ny fampanoavana tany Anosy ilay vazaha nahafaty olona tany Tsarasaotra-Ambositra, noho ny lozam-pifamoivoizana nitranga, ny 7 may lasa teo, tamin’ny 10 ora maraina tany ho any.

Tsiahivina fa fiara 4x4 no nentin’ity vahiny ity. Vokatry ny tsy fitandremana nataony, izay nirimorimo mafy dia mafy dia nifanehitra tany amin’ny fiara mini-bus izy. Maty teo noho eo moa ny mpamilin’ilay mini-bus tamin’izay fotoana izay ary olona fito hafa naratra nandritra izay lozam-pifamoivoizana izay.

Amin’ny toe-javatra tahaka itony moa dia tsy mandray andraikitra ny mpitandro filaminana amin’ny fanaovana famotorana. Nalaina am-bavany tany amin’ny zandary ilay vahiny ary avy eo nentina tany amin’ny fampanoavana. Amin’izao fotoana izao izy dia notanana any amin’ny fonjan’Ambositra mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  •    mai 2008   
    L Ma Me J V S D
          1 2 3 4
    5 6 7 8 9 10 11
    12 13 14 15 16 17 18
    19 20 21 22 23 24 25
    26 27 28 29 30 31  
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP