Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 19h16
 

Malagasy

Ambositra

Vazaha naiditra am-ponja

samedi 10 mai 2008 | Nivo T. A.

Omaly no nentina tany amin’ny fampanoavana tany Anosy ilay vazaha nahafaty olona tany Tsarasaotra-Ambositra, noho ny lozam-pifamoivoizana nitranga, ny 7 may lasa teo, tamin’ny 10 ora maraina tany ho any.

Tsiahivina fa fiara 4x4 no nentin’ity vahiny ity. Vokatry ny tsy fitandremana nataony, izay nirimorimo mafy dia mafy dia nifanehitra tany amin’ny fiara mini-bus izy. Maty teo noho eo moa ny mpamilin’ilay mini-bus tamin’izay fotoana izay ary olona fito hafa naratra nandritra izay lozam-pifamoivoizana izay.

Amin’ny toe-javatra tahaka itony moa dia tsy mandray andraikitra ny mpitandro filaminana amin’ny fanaovana famotorana. Nalaina am-bavany tany amin’ny zandary ilay vahiny ary avy eo nentina tany amin’ny fampanoavana. Amin’izao fotoana izao izy dia notanana any amin’ny fonjan’Ambositra mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS