Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 03h44
 

Teny zato, kabary arivo

Vay tsy vaky

samedi 12 mai 2007 | Naivo kely

Roahina ny frantsay fa ampidirina ny Alemaina, io no maresaka teny ambavan’ny maro omaly raha nahita tamin’ny haino aman-jery fa noroahina hiala ao anatin’ny 48 ora ilay pretra niasa teto nandritra ny 36 taona.

Dia ahoana koa hoy ny Katolika manoloana io izay efa hita ihany fa vay tsy vaky eo amin’ny fanjakana sy ity antokom-pivavahana ity, izay hita fa misy fanoherana matetika teo amin’ny roa tonta toy ny kiana momba ny firosoana tamin’ny lalampanorenana farany teo, ary koa nanameloka ny fidirana an-keriny tany amin’ny trano fivavahan’ny katolika tany Fianarantsoa II raha hikaroka an’ingahy Pety Rakotoniaina ireto mpitandro ny filaminana ary nanapoaka basy mihitsy ka tsy nahafaly ny mpino maro manerana ny Nosy io.

Tsy hisy haniry korontana eto, fa tsy hisy olona tsy hilaza fa hisy fiantraikany ratsy eto amin’ny firenena io, satria olona mpanao asa soa eto amintsika io. Na ny firenena Frantsay aza ve tsy ho tezitra amin’ny fandroahana ny mpanompon’Andriamanitra avy ao amin’ny fireneny tahaka izao ?

Ahiahy tsy hiavanana ireo, ka isika rehetra no aoka hamisavisa fa samy ho tahian’ny Tompo e !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS