Hivalona afaka andro vitsy ny taona. Samy mifantoka any amin’ny taona ho avy ny mason’ny olona manana aina rehetra. Izay ahadinganana ity taona 2008 ity no tanjona, satria zava-dehibe amin’ny Malagasy izany nadingana taona iray izany.
Taona hitondra inona ho an’ny vahoaka malagasy io taona hitsidika io ? Izay no mby tonga ao an-tsain’ny maro. Ny akaiky indrindra, dia ilay fepetra takian’ny mpanohitra eto amintsika momba ny hamahana ireo olana takian’izy ireo hatramin’ny 13 janoary izao. Miankina amin’ny kabarin’ny filoha Ravalomanana rahampitso hariva amin’ny 7 ora anefa ny tsy hampipoaka ny vanja any amin’ireo mpanohitra. Mpanohitra, izay tsapa fa miantehitra betsaka any amin’i Andry TGV izany lehilahy afaka maka ny fon’Antananarivo ? Manana andraikitra lehibe amin’ny mety ho tranga hiseho eto isika rehetra. Midika io fa eo ampelantanan-tsika ny fampandrosoana ny firenena, na ihany koa ny famotehana ny toe-karena. Tsy hisy firenena afaka hiadana ao anatin’ny korontana. Tsy misy olona tsy mitaky fiovana eto, nefa tsy fiovana ho any amin’ny ratsy fa hanatsara ny fiainana isan-tokan-trano. Handamina ary sa handrangitra ny mpanohitra ny lahateny ho ataon’ny filoha rahampitso ? Tsy hisy ray aman-drenin’ny firenena haniry korontana eto, saingy ny ankilany toa efa tongotra mby an-dakana, ka miandry izay hanapoahana ny vanja sisa.