Madagascar Tribune | Tsy resaka tetezamita intsony
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
dimanche 20 juillet 2008
 

 > Malagasy

Faritra Analamanga

Tsy resaka tetezamita intsony

jeudi 24 avril 2008, par Volana R.
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=

« Asa fa tsy kabary ». Nazava ny fanamarihana nataon’ny loholona Rajemison Rakotomaharo, tamin’ny fanokafana ny fivoriana voalohan’ny Filankeviparitra Analamanga, omaly : « tsy rafitra tetezamita intsony io rafitra io, satria rafitra feno, voafidy araka ny Lalàmpanorenana manan-kery ».

Telo andro no haharetan’ny fihaonana, hifidianana ireo mpikambana efatra (filoha, filoha lefitra ary mpampakateny roa), ny Fitsipika anatiny ary handrafetana ny vaomiera isan-tokony. 14 ireo mpanolotsaim-paritra voafidy ato amin’ny Faritra ka ny roa dia nilatsaka tamin’ny tsy miankina. 19 kosa ny isan’ny solombavambahoaka, mpikambana ho azy ao anatin’ny Filankevitra ary manan-jo hanapa-kevitra. Tsy toy izay kosa ny loholona (iray) izay, na dia mpikambana aza, dia tsy afaka ny hanapa-kevitra. Ny anjara asany eo anivon’ny faritra dia ny fiahiana azy.

« Azon’ny rehetra atrehana ny fivoriana, hoy ny fanamarihan’ny Lehiben’ny Faritra, Rakotomalala Fidy. Indroa isan-taona ny fivoriana ara-potoana ».

Na izany aza anefa, dia mbola miandry ny fepetra avy any amin’ny ministeran’ny Fanapariaham-pahefana vao mety ho fantatra ny tetibolan’ny Faritra.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  •    avril 2008   
    L Ma Me J V S D
      1 2 3 4 5 6
    7 8 9 10 11 12 13
    14 15 16 17 18 19 20
    21 22 23 24 25 26 27
    28 29 30        
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP