Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 09h11
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy manaiky ho gisitra

samedi 10 mai 2008 | Penjy R.

Tsy hiantehitra amin’ny hetra fa mikaroka lalam-barotra. Io no fanamby hapetraky ny tompon’andraikitry ny tanana eto andrenivohitra. Tsy mitsahatra mivoaka mankany ivelany izy mitady izay fiaraha-miasa hanatsarana ity renivohitra ity.

Hanomboka ny asa hoy izy raha vao tonga avy any China, ary miditra antsehatra ireo mpiasa eo anivon’ny kaominina manatsara ny faritra heverina fa tokony hasiana fanavaozana. Heno koa fa hapetraka ny vato fototry ny fananganana ny lapan’ny tanana. Ny filoha Ravalomanana ihany koa dia mivoaka lava, mikaroka izay mahasoa ny firenena. Lalam-bola hafa hiarahana amin’ny mpandraharaha vahiny no tanjona, ary maro no efa nahitana vokatra. Raikitra ny fifaninanana, ary tsy misy hanaiky ho gisitra eo amin’ny asa fampandrosoana izay tandrify azy. Ity no atao hoe fifaninanana masina, ary ho hita eo ihany koa izay kaominina tratra aoriana amin’ity taona ity, satria hisy ny loka ho an’ireo izay nahavita be. Ny filohan’ny repoblika no nilaza io. Dia ho hita eo ihany koa izay ahavita ny toky napetrany nandritra ireny fampielezan-kevitra nataony ireny. Mitazana ny vahoaka, ary mahazo manantena fa hipetraka ny asa mivaingana atsy ho atsy. Raha tsy hoe angaha mahita hialana bala indray ny sasany amin’izay fotoana izay.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS