Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 12h03
 

Malagasy

Zotra taxibe 183

Tsy mahay manaja mpanjifa

lundi 16 juin 2008 | Volana R.

Ireo mpandeha amin’iny làlana Ambatobe - Anosy- Ambatobe iny, mandalo Analamahitsy na 67 ha, dia efa mahafantatra tsara fa ny zotra 183 no zotra tsara andehanana raha toa ka maika hamonjy toeram-piasana na fianarana. Izany hoe amin’ny 6 ora hatramin’ny 6ora sy sasany maraina. Ankoatra izay kosa, dia aleo mamonjy zotra hafa mihitsy, satria manao ny sitrapony, araka izay tiany ireo mpamily sy resevera. Fa inty kosa indray zavatra hafa tsy nampoizina no nafitsony, ny andron’ny sabotsy lasa teo fotsiny.

« Mandehana
zotra hafa »

Niangavy tsotra ilay mpandeha : « Aza ampiresahanao intsony ny mpamily r’ingahy (mipetraka eo akaikin’ny mpamily), fa indro taxibe 183 anankiroa izao no samy nisongona antsika avokoa, satria variana loatra izy ». Valinteny tsotra ihany koa no azony : « Maninona no tsy zotra hafa no nandehananao ? »

Adiny iray be izao no nandehanana, niala teo Analamahitsy Cité hatreo amin’ny « parking » 67 Ha, ary ny andro amin’io amin’ny sivy ora maraina. Tsy misy fitohanana mihitsy ary ny andro tsy avy orana.

« Aza fetsifetsy »
hoy izy

Tsy maintsy hody moa, ka dia zotra 183 ihany indray, io hariva io ihany, no noraisin’ity mpandeha ity ihany koa.

Hody eny Analamahitsy izy, ary nandray fiara teo Anosikely. « Tsy mety, hoy ilay resevera, nampian’ilay mpamily. Aza fetsifetsy, fa eo Ankazomanga no farany. Avy eo indray mandray fiara. » Notsiahivin’ilay mpandeha moa ny nomeraony : 2971 TS.

Araka ny filazan’ilay mpamily, dia vao « aller » hono izy amin’io fotoana io. Ilay resevera kosa indray nanambara fa vao haka « papiers ». Inona no marina, tsy fantatra, fa azon’ilay mpanjifa kosa ny hevitr’izy ireo : hampandoa saran-dàlana indroa. Tsy vao izao ny zotra taxibe (tsy ny 183 ihany) no mihevitra ny mpanjifa ho tsy afa-miala aminy ka hanaovany hevitra ataingina toy izao.

Aiza ny « cahier
de charges »

Ity zotra 183 ity no antsoina amin’ilay hoe « itinéraire bouclée », izany hoe avy hatrany dia mitohy ny diany, mandrapahatongany any Ambatobe. Rehefa olona afaka mandoa Ar 300 dia afa-mitaingina azy avokoa. Tsy voafetra ny halavan’ny làlana indramany ny fiara, toy izany koa ny fiara, tsy voafetra ny toerana andraisany na analany mpandeha.

Matetika ny hariva fodiana indrindra no ampiharan’izy ireo ity « lalàna » azy manokana ity. « Tapahany » roa ny lalana, ka dia voatery mandoa saran-dàlana indroa ny mpitaingina. Sao miandry
« fampitandremana an-keriny » azy ireo indray aza izy ireo ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS