Madagascar Tribune | Tsy hitondra fahagagana
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
samedi 6 septembre 2008
 

 > Malagasy

Filohan’ny Sénat vaovao

Tsy hitondra fahagagana

mardi 6 mai 2008, par Naivo kely
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=

Anio no fantatra izay ho filohan’ny Antenimieran-doholona vaovao. Samy manana ny tombany izay mety ahazo ny toeram-boninahitra iray io ny rehetra. Anarana telo no mandeha, izay samy olona akaiky ny filohan’ny Repoblika avokoa, ka ho sarotra amin’ny loholona mpifidy ny tena hametraka ny safidiny malalaka.

Ny tsara ho fantatry ny maro, dia tsy hitondra fahagagana eo amin’ny fiainam-bahoaka andavan’andro izay lany eo. Maro ny lalàna tsy maintsy ho dinihina, fa ireo hevi-baventy mahakasika ny lafim-piaraha-monina maro ve azo antoka ny ahalany azy ao amin’io lapa io ? Tsara ny milaza fa saika ny TIM no mandravaka ny seza ao, ary izay heverina fa mifanandrify amin’ny fomba fijerin’izy ireo no tsy maintsy hivoaka ao. Matoa mijoro ny andrim-panjakana dia misy vokatra tsara sy haingana miantraika eny anivon’ny faritra sy ny kaominina andrasana ao. Ny fomba fiasan’izay birao vaovao hijoro eo no andrasan’ny maro, satria maika ny fampandrosoana araky ny heno etsy sy eroa.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  •    mai 2008   
    L Ma Me J V S D
          1 2 3 4
    5 6 7 8 9 10 11
    12 13 14 15 16 17 18
    19 20 21 22 23 24 25
    26 27 28 29 30 31  
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP