Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 04h29
 

Malagasy

Praiminisitra Rabemananjara

Tsy hitatitra fa hiasa

jeudi 20 mars 2008 | Naivo kely

Ny vokatry ny latsa-bato 94% no efa azo. Nilamina sy nanjaka ny fahendren’ny vahoaka Malagasy, ary mendrim-piderana izay fahendrena izay.

Io ny fisaorana nataon’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta omaly raha nitatitra tamin’ny mpanao gazety tetsy Anosy izy omaly. Tsy manao tatitra fotsiny ny fanjakana fa hiasa, ary isan’ny tsy maintsy himasoana ny resaka fandriam-pahalemana. Isan’ny fositra lehibe tsy mampahomby ny fampandrosoana io. ny asa anefa tsy maintsy hirosoana. Raha ny momba ny fifidianana manokana dia voalaza fa efa mananika ny 49% ny salam-pahavitrihan’ny mpifidy raha io omaly io. Midika izany fa vonona ny vahoaka amin’ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny faritra. Niantso ny rehetra ho tony amin’ny fanehoan-kevitra ny rehetra ny Praiminisitra. Voaresaka ny momba ny fanendrena ny lehiben’ny faritra fa tsy ho fidiana. Ny vidin-tsolika izay niakatra, dia nambaran’ny lehiben’ny Governemanta fa zava-misy hiainan’ny firenena io, ary dia tsy maintsy mizaka izany isika.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS