::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 11h20  :  21°C  :  Soleil et nuages épars
jeudi 31 mai 2012
 

 > Malagasy

Depiote Jules Andriamaholison

Tsy azo atao sorona ny toe-karena

mercredi 31 décembre 2008, par Penjy R.

Ampy izay. Tsy hanaiky ho atao fitaovan’ny mpanao politika hitadiavana toerana intsony ny mponina eto Iarivo. Ny fampandrosoana izao no maika, fa tsy ny hidirana indray ao anatin’ny ady saritaka izay tsy nahitana tombontsoa hatramin’izay. Io no nambaran’ny depiote Jules Andriamaholison, izay voafidy teto amin’ny boriborintany voalohany.

Manomboka miarin-doha izao ny toe-karena. Samy mahatsapa izany isika rehetra. Mitodika aty Madagasikara, ny mason’izao tontolo izao, satria handray ilay fivoriana in-droa miantoana isika ato ho ato. Tsy endrika ratsy no aseho izao tontolo izao, fa vahoaka hendry sy milamina ary liam-pandrosoana. Izay no handraisanay fepetra hentitra amin’ny fanazavana ny saim-bahoaka amin’ny tsy ho fanekena ny vahoaka ho atao fitaovana politika toy ny hita hatramin’izay. Manana andraikitra lehibe amin’ny fiarovana ity tanàna ity izahay olom-boafidy eto.

Momba ny filazana fa hanangana « kianjan’ny demokrasia » ny mpanohitra, dia nanambara ihany ity depiote ity, fa misy ny demokarsia eto, satria maro be ireo haino aman-jery ahafahan’ny olom-pirenena maneho ny heviny eto. Ny mihoam-pefy kosa, dia misy lalàna mamaritra izany eto. Fanehoan-kevitra tsy misy toy ny tamin’ny 17 desambra lasa teo, saingy nahoana no tsy sahy niady hevitra ireto olona milaza fa voatampim-bava ireto. Tsotra ny tanjon’izy ireo, hoy ingahy dokotera Jules, fa miroborobo ny toe-karena eto, ka misy te-hanapotika indray io, satria very tombontsoa ireo mpanohitra ireo.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

avril 2012   mai 2012
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 401  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360