::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 11h20  :  21°C  :  Soleil et nuages épars
jeudi 31 mai 2012
 

 > Malagasy

Antananarivo • Savorovoro politika

Tonga saina ny faritra iva

mercredi 10 septembre 2008, par Manou

Tsy an-kiato intsony tao ho ao ny ankamely politika ifanaovan’ny samy « mahery » eto amin’ny firenena, indrindra ny eto Antananarivo. Misy fiantraikany amin’ny fiainana ara-piaraha-monin’ny vahoaka hatrany anefa ny tranga toy ireny, araky ny efa niainan’ny rehetra nandritra ireny vanim-potoana isan-karazany ireny, ka manomboka tsy ho voafahan-dalitra intsony ny eny amin’ny faritra be mponina eto an-drenivohitra, tondroin’ny mpahay ho faritra iva, amin’izao fotoana izao...

Tsy ho fitaovana

Tsy hanaiky ho fitaovana ara-tantara intsony ary izao ireo vato nasondrotry ny tany avy amin’ny faritra iva fa nivondrona, nanangana ny FVMT, Fikambanan’ny Vahoaka Madinika amin’ny Toerana iva, hahafahana mifanentana sy mifanazava mikasika ny raharaha lehibe eto amin’ny firenena Efa nahatsangana sampana isaky ny boriborintany eto Antananarivo ny tompon’andraikitra, ankehitriny, ary efa eo ampandinihana ny hanitarana ny hetsika any amin’ny faritra hafa nohon’ny fangatahan’ny mponina any. Maro mantsy, hoy ireo nifandray tamin’ny FVMT, ny toerana mitovitovy fahavoazana amin’ny faritra iva eto an-drenivohitra, any amin’ny faritra isan-karazany any ka tsy tokony ho ferana ho eto Antananarivo fotsiny ny tombontsoa ho azon’ny madinika amin’ny fahafaha-mahalala ny zavamisy amin’ny raharaham-pirenena avo lenta avy amin’ny fanazavan’ireo havanana ao anatin’io fikambanana io.

Mandefa antso

Samy maneho ny heviny ny ankolafy isan-karazany tato ho ato, hoy ny FVMT, ka fotoana ilana ny mpanao politika fantatra ho mpiaro an’Antananarivo toa an-dry Alain Ramaroson sy ireo tanora tia tanindrazana, mpiaro ny teny amin’ny 13 mey toa an’ireo miaramila mpampandry tany (rezervista) sy ny mpanao fanatanjahantena (kung fu, karate...) izao diavina izao, hivoahan’ny tena foto-kevitra marina amin’ny fifampitondrana hiainana eto.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

avril 2012   mai 2012
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 433  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360