Antsirabe
Amin’izao fotoana izao dia misy ny karazana toaka gasy ara-dalà na sy tsy ara-dalà na hany ka sahiran-tsaina ny zandary manao ny asany. Ny talata lasa teo dia nisy toaka gasy 1.000 litatra efa voatsinjara amina tavoahany plastika 1l. efa misy etikety saron’ny zandary tamin’iny là lam-pirenena faha-fito iny.
Rehefa natao ny fisavana dia nampiseho ny taratasy fahafahany mandeha ilay tompon’ny toaka izay tsy iza fa olona tompon’andraikitra iray avy ao atsimotsimo ao, ankoatr’izay, ara-dalà na avokoa ny taratasy rehetra . Anisan’izany ny fandoavan-ketra, noho izany dia tsy afaka nitana ireo toaka na koa naka lamandy 1.000 Ar isaky ny litatra ny zandary.
Araka ny fantatra dia avy ao Ambinanindrano Amoron’imania no niavian’ireto toaka gasy ireto. Very hevitra ary ireo mpitandro ny filaminana satria misy ny ara-dalà na sy ny tsy ara-dalà na eo amin’ity resaka toaka gasy na koa « toaka voarara » ity.