Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 17h01
 

Teny zato, kabary arivo

Takon’ny aloka

samedi 17 janvier 2009 | Naivo kely

Tia raha isika eto Madagasikara, ary tsy mety fay amin’izay tranga efa nampidi-doza ny firenena. Hifantoka etsy Ambohijatovo ny mason’ny mpanara-baovao maro. Na dia ambara aza fa leo politika ny olona, dia tsy azo hodian-tsy hita ny fifantohan’ny saina amin’izay mety ho tohin’ny tolona ataon’ny mpanohitra.

Ny mampalahelo, dia variana amin’ny resaka toy izao ny ankamaroan’ny maro, ka ny lahasa entina hanatsara ny fianam-bahoaka andavan’andro no adino. Ny mpitantana ny kaominina, dia hifantoka amin’ny fitakiana ataony manomboka izao etsy Ambohijatovo. Ny fanjakana foibe kosa, dia mety ho variana hamono ny afo arehitry ny sasany. Ny vahoaka kosa etsy ankilany very fanahy toy ny valala voatango. Ekena fa misy tompon’andraikitra isan-karazany mampandeha ny masinina adiministrativa, saingy toa takon’ny aloka ireny asa ireny, raha tsy hiteny afa-tsy ny fanamboarana ny hopitaliben’i Befelatanana, ny fijinjana ny vary aloha, sy ny fanadiovana ireo lakan-drano isan-karazany eto an-dRenivohitra. Misy ny faly amin’ity hetsika manomboka anio eny Ambohijatovo ity, ary tsy vitsy koa ny tsy faly, satria manelingelina ny fihariany.
Ny ho avin’i Madagasikara, manao ahoana ? Mianakina aminao ny valiny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS