::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter    Google+ Google+   ::::
Antananarivo | 20h49  :  18°C  :  Clair de lune et nuages épars
vendredi 24 mai 2013
 

 > Teny zato, kabary arivo

Takon’ny aloka

samedi 17 janvier 2009, par Naivo kely

Tia raha isika eto Madagasikara, ary tsy mety fay amin’izay tranga efa nampidi-doza ny firenena. Hifantoka etsy Ambohijatovo ny mason’ny mpanara-baovao maro. Na dia ambara aza fa leo politika ny olona, dia tsy azo hodian-tsy hita ny fifantohan’ny saina amin’izay mety ho tohin’ny tolona ataon’ny mpanohitra.

Ny mampalahelo, dia variana amin’ny resaka toy izao ny ankamaroan’ny maro, ka ny lahasa entina hanatsara ny fianam-bahoaka andavan’andro no adino. Ny mpitantana ny kaominina, dia hifantoka amin’ny fitakiana ataony manomboka izao etsy Ambohijatovo. Ny fanjakana foibe kosa, dia mety ho variana hamono ny afo arehitry ny sasany. Ny vahoaka kosa etsy ankilany very fanahy toy ny valala voatango. Ekena fa misy tompon’andraikitra isan-karazany mampandeha ny masinina adiministrativa, saingy toa takon’ny aloka ireny asa ireny, raha tsy hiteny afa-tsy ny fanamboarana ny hopitaliben’i Befelatanana, ny fijinjana ny vary aloha, sy ny fanadiovana ireo lakan-drano isan-karazany eto an-dRenivohitra. Misy ny faly amin’ity hetsika manomboka anio eny Ambohijatovo ity, ary tsy vitsy koa ny tsy faly, satria manelingelina ny fihariany. Ny ho avin’i Madagasikara, manao ahoana ? Mianakina aminao ny valiny.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Vols, Hôtels, Séjours :
Les meilleurs prix

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Nous suivre

     
Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

avril 2013   mai 2013
L Ma Me J V S D
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 254  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP

    Faire un crédit rapide en France | Découvrez aussi : Xbox 360