Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 17h31
 

Teny zato, kabary arivo

Taitra ny matanjaka

vendredi 10 octobre 2008 | Naivo kely

Tsy maintsy hisitahana ireo orinasa an’ny fanjakana, raha te-ho tafavoaka amin’ny fahantrana. Fepetra napetraky ny mpamatsy vola sy ny firenena matanjaka amin’ireo firenena mahantra sy andala-pandrosoana ireo raha mbola te-ahazo ny fanampiana avy amin’izy ireo. Niroso tamin’izany i Madagasikara, ka ny Air Madagasikara sy ny Jirama irery sisa no tsy lasa notantanin’ny vahiny.

Mitsoka maneran-tany ny krizy ara-toe-karena. Voan’io avokoa ny firenena matanjaka. Latsaka ambany ny volan’izy ireo ka samy nandray fepetra mifanandrify amin’izany avy izy ireo. Isan’io ny famerenana ny volan’ireo mpametra-bola any amin’ny banky. Ny tsy famelana intsony ny famarotana ny orisana amin’ny vahiny, ka ny teratany no misahana izany. Io ilay antsoina hoe « nationalisation ». Tapitra hatreo ny resaka Privatisation. Indrisy anefa, fa efa tafalatsaka lalina amin’izany ny firenena madinika, toa an’i Madagasikara. Izao ve vao taitra amin’izany ny matanjaka ? Ny olana mahazo antsika anefa efa io hiarahana mahita io ? Tsy ho diso ihany angamba ny fikambanana hafa raha hilaza fa tsy tokony hiakin-doha be loatra amin’ireo vahiny ny ho avin’ny toe-karena malagasy. Manana manam-pahaizana maro isika, koa nahoana raha ireny no asaina miketrika, mba ampahomby ny fampandrosoana ? Ny vahiny aza mahatsapa fa diso ny làlana nombany teo aloha.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS