Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 18 mai 2024
Antananarivo | 12h11
 

Malagasy

Itampolo - Toamasina

Sokatra 253 no sarona

mercredi 26 mars 2008 |  301 visites  | Nivo T. A.

Na dia voararan’ny lalàna aza ny fisamborana sy fihinana sokatra dia mbola misy minia manao izany ihany. Vao tsy ela akory izay dia sokatra miisa 253 no sarona tao amin’ny tanànan’Ilanivato, kominina Itampolo-Toliary. Araka ny vaovao azonay, dia saika nohanina ireo sokatra ireo no tratra, vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny tompon’andraikitry ny Rano sy Ala ary ny Fizahan-tany sy ny zandary ary ny ANGAP.

Ny 15 tamin’ireo sokatra ireo moa dia efa nisy nihinana ny tao anatiny fa ny fonony sisa no hita. Tamin’ireo 238 ambiny dia 65 no zana-tsokatra, karazana « radiata », ary ny 80 antsoina hoe « pixus », izay samy sokatra malagasy avokoa. Natokana ao amin’ny toerana voatokana any Betioky ireo sokatra ireo ka arahi-maso mandritra ny 40 andro eo ho eo ny fahasalamany, alohan’ny hamerenana azy any amin’ny faritra arovana itehirizana azy ireo.
Eo an-danin’izay dia mitohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana mikasika ireo olona 10 voarohirohy amin’ity raharaha-na sokatra ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS