Madagascar Tribune | Sakafo voapoizina • olona 25 naiditra hopitaly
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
jeudi 21 août 2008
 

 > Malagasy

Antsirabe

Sakafo voapoizina • olona 25 naiditra hopitaly

jeudi 15 mai 2008, par Princia R.
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=
Olona 25 no nahazo fitsaboana teny anivon’ny hopitaly-be Antsirabe taorian’ny fihinanana sakafo nisy poizina nandritra n’ny lanonam-pianakaviana natao ny sabotsy teo tao Androvakely Antsirabe. Rehefa vita ny fety dia nandoa sy nivalana ary narary an-doha mafy ny ankamaroan’ny olona nanatrika ny fety ny andron’ny alahady. Ny talata anefa vao nentina teny amin’ny hopitaly ireo tsy salama ary teo vao fantatra fa noho ny fihinana sakafo voapoizina no antony hoy ny mpitsabo. Tamin’io andron’ny talata io dia feno 25 ireo olona notsaboina voakasikizany ary ny efatra dia mbola eny amin’ny hopitaly, tsara ny manamarika fa ny 6 tamin’ireo 25 dia ankizy latsaky ny 15 taona. Araka ny nambaran’ny mpitsabo nanao ny fizahana dia vokatry ny fifangaroan’ny atody sy menaka no anton’ny fahavoazana.
   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  •    mai 2008   
    L Ma Me J V S D
          1 2 3 4
    5 6 7 8 9 10 11
    12 13 14 15 16 17 18
    19 20 21 22 23 24 25
    26 27 28 29 30 31  
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP