Madagascar Tribune | Roboka ny mpanambola
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
jeudi 21 août 2008
 

 > Malagasy

Gazety

Roboka ny mpanambola

samedi 17 mai 2008, par Naivo kely
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=

Ambara ho tsy malalaka nefa miroborobo. Io no hitarafana ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Mihoatra ny zato ny karazana gazety antsoratra eto Madagasikara, ary tsy latsa-danja amin’izany ny radio. Ny fahita lavitra no hita fa vitsy raha mitaha amin’ireo.

Gazety fanehoan-kevitra na fambolena na ihany koa fiaraha-monina sy ny politika, ary mipaka hatrany amin’ny gazety hivoizana ny fivavahana. Ireo dia hita avokoa, saingy misy ny mivoaka isan’andro, ary ao ny isa kerinandro. Ny isam-bolana sy ny isan-taona dia hita eto avokoa. Ny tena fantatry ny maro anefa dia ireo mivoaka isan’andro, satria efa amam-polony izy ireny amin’izao fotoana izao. Fifaninanana masina no hilazana azy.

Ny mpandraharaha vaventy eto amintsika, dia saika manana ny gazetiny avokoa, na io gazety antsoratra, na fahitalavitra, ary tsy vitsy no manana radio. Ny mpanao politika kosa, dia vitsy no mbola nahatafatsangana ny azy, fa izay nanana dia nivarotra ny teo antanana. Na dia hambara ho misy aza ny teritery eo amin’ity asa ity, dia tsapa fa miroborobo izy io eto Madagasikara. Ny mpamaky no misafidy izay heveriny ho mahafinaritra azy, ka tsy ho gaga isika raha misy ny latsaka an-dàlana noho izay tsy fahaizana mifehy ny filan’ny mpamaky izay.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  •    mai 2008   
    L Ma Me J V S D
          1 2 3 4
    5 6 7 8 9 10 11
    12 13 14 15 16 17 18
    19 20 21 22 23 24 25
    26 27 28 29 30 31  
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP