Salama daholo, tsy hanavahana io an,
’ZAY VOA MANODIDINA DE MANDRY VE NY SALANITRA E !
Izahay tara vao afaka miditra ity ka tsy maninona na tsy hamaly aza ny hafa, fa ny tena zava-dehibe mamoaka hevitra, mba hatsipy ny teny am-pon’ny ma(ha)lala e.
Aleoko atao teny gasy, satria tena hevitrin’ny samy malagasy no tiana hatosaka, maka ny anjarany ny malagasy tapany, ary mandeha mitady mpandika teny ny vahiny liana. Izaho gasy.
Mety ho lava teny fa tsetsatsetsa tsy haritra hoy ny Razana, ka aleo mamy atelina toa izay tsoka mandry am-bava, hahota mahamenatra, atelina mety hamonamonaina.
Ny resaka atsipy dia mety hivoaka izay ady hevitra rehetra naroso, nefa mifampitohy @ izay efa nambara rehetra. Raha samy MALAGASY ihany, tsy hahamenatra ve izany alamin’ny vahiny izany re olona a ! Misy teny malaza izay any Atsimotsimo Andrefana any : « Tany misy olobe tsy mialy zaza ». De tapitra tamingana ve ny olon-kendry t@ ity taniko ity ? Tsy mino aho. Ny tena mahavalalanina dia ny finiavana, na ankolafy inona io na ankolafy inona, hipetraka @ toerana mampifanolana foana fa tsy manantona ny efitra mampifanantona. Asa inona no dikan’ny teny hoe « tia tanindrazana » amin’ny tsirairay avy, raha rakibolana isam-batan’olona no voatery tsy maintsy hampiasaina, fa raha ny heviny araka ny teny malagasy dia hoe : « mampandefitra ny fitiavan-tena fa ny ain-dehiben’ny firenena no ho tsinjovina », ka na ilaina aza ny hahafaty ny tena dia izay no sandany. Tsy ny maty ara-bakiteny ihany io, fa ny maty ara-kevitra, na ara-pôlitika koa, raha izay no hahazoana azy kokoa. Rehefa tokony higadra dia migadra e, fa tsy hoe « ho fitsinjovana ny tenako dia apetrako ny »amnistie générale« ho fepetra hanekena na tsia izay fifanarahana rehetra, na ihany koa tsy mampaninona na tsy manana na dia olona iray ao anatin’ny fitondrana aza aho, fa ny hevitra entina mitantanana no aposako. Na mety ihany koa ny hoe raha toa ka izay no hampiverina ny fahatonian-tsainam-pirenena dia tsy hiandry ny »hahamasaka ny foto-kevitro" @ faritra rehetra aho vao hampanao fifidianana ary tsy mampaninona rehefa maneho ny finiavany hitarika ny firenena ho any @ famerenana @ laoniny farafaharatsiny ny fiainam-pirenena ny olona eo dia afaka miala aho fa hiandry fifidianana mba ho tsapa fa tena araka izay finidim-bahoaka ny mampipetraka ahy eo @ toerana izay iriako, sy ny sisa sy ny sisa.
Asa raha azon’ny rehetra fa maninona no Olona Efatra no antsoina mba hanomboka ny fitadiavana vaha-olana. Tsy sanatria, ary enga anie ho sanatria izany, hoe tsy maintsy ho mpomba ny iray @ ireo efatra ireo ny malagasy tsirairay avy, 360° ny cercle iray, ka mitovy @ izay koa ny toerana afaka hipetrahan’ny tsirairay avy mikasika hevitra iray (mbola afaka zaraina minitra sy segondra io, ary mety ho ambanin’io aza ny fizarana), ary ny « adala ihany no tsy miova hevitra » hoy ny oha-pitenenana nindramina. Noho izany, tsy fara-tampony @ fitadiavam-baha-olana akory ny dinika izay hifanaovana @ olona 4, na ankolafin-kevitra 4 raha izay no hiheverana ny dikany, tsy atao ho olana. Fa ny tena zava-dehibe dia ny hoe : tena mitady vaha-olana ve isika ? Ka izay kely hifanarahana atao sotro ranon’akoho, hisaorana an’Andriamanitra, atao tranon-dandy, ao anatiny manatevina azy e.
Raha enjan-droa ny tady mety tapaka na atao hoe « mahazaka » aza, ary raha hanao « grand écart » foana ny fahatapahan’ozatra no hatahorana. Ny teny hierana @ rehetra no aoka ezahana ho azo, efa fanao izao ny manao sondage (tsy manao ballon sonde an), maninona no tsy atao ? Mety izay no hampirisika ny rehetra, raha toa ka tena ezahana atao marina izany, ary ezahana mba avoaka isan’andro ny vokany sy ny hevitrin’ny olona mikasika izay fanontaniana apetraka ? Faka tahaka ireny IFSOP ireny ary tsy hita izay naharatsy azy hatreto aloha, ataovy manaraka ny fomba gasy sy ny kolontsaina gasy fotsiny e. Izay no ilanay mpitondra tsy hibaiko na hampanaiky fa hitari-dalana e.
Fehiny : mialohan’izay hanapahan-kevitra na hanome tsiny na hanaraka izay « tolo-kevitra » avy @ Fiaraha-monina Iraisam-pirenena, tsy omen-tsiny nefa koa tsy hatao ho Zanahary, sao tokony hisy fanapaha-kevi-dehibe raisina, tsy atao antemaka fa mba hangalana tolo-kevitra @ « hendry », tena « hendry », na iza na iza izy ny @ izay tokony ary tsy maintsy hatao satria ity ilay hoe an-dohalika ny ranom-bary, ka ny tena MARIMARITRA IRAISANA no katsahana, tsy hahabotry ny reniny (ny voninahitrareo malaza ho mpitarika) sy tsy hahabotry ny zanany (izahay VAHOAKA TSY MANDADY HARONA), izay tsy voatery handalo izay atao ho kisarintsarim-pifandiniham-pirenena na « atelier(s) » (asa nanao ahoana izay vokatr’izay natao hatreto, sao tokony hanaovana tomban’ezaka tsy hifampizahana tavan’olona ?). Ny hevitra hono mantsy tera-bary : ny haterany tsy fantatra na fantatra aza ny naketsa.
Mety manonofy aho, mety ho diso lalana fa GASY AHO ary tena mino fa mbola HENDRY NY MALAGASY.
MISAOTRA NY REHETRA NAMAKY ARY MANKASITRAKA IZAY MANAKIANA FA IZAY NO MAMPIVOATRA NY HEVITRA.
Mandra-pisin’ny fanehoan-kevitra manaraka indray satria izahay aty ambanin’ny ravina dia tsy afaka mbola miditra eo @ « Tribune libre » e. Asa angaha mbola misy « écolage » haloa vao mety mahalala ny fomba fidirana eo e, ny tena koa moa tsy mahay manoratra rahateo.
MANDRA-PIHAONA DAHOLO E