Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 02h57
 

Teny zato, kabary arivo

Raikitra ny ady an-trano

mercredi 31 décembre 2008 | Naivo kely

Tsy mbola azo ny mofo mamy, dia efa raikitra ny fifanjevoana eo amin’ny mpanohitra. Samy te-ho lohany avokoa izy rehetra. Tsy takona afenina intsony io korontana ao anatin’ny samy mpanohitra io, ary tsy ho gaga isika raha toa ka samy maka ho azy hatrany izy ireo rehefa tonga ny fifidianana.

Mpanao politika fanta-daza eto amin’ny firenena no naneho ny heviny omaly, izay miara-dia ao anatin’ny mpanohitra. Andro vitsy monja izay, raha nanao fivoriana hitambara izy ireo, dia efa nailika tsy ho eo anoloana ireto karazan’olona mpitarika politika ireto. « Avelao ho an’i Andry Rajoelina no eo anoloana eo », hoy ity lehilahy iray ao anatin’ny fanoherana, ary naroso teo anoloana ihany koa ireo heverina fa mpanao politika mety ahasarika olona hono. Ilaina miseho tele ireo, ka isika aleo aty afara.

Teo no nisian’ilay fifandirana teo amin’ny samy mpanohitra. Velona ny fifampitsikerana, ka nipoitra hatramin’ny teny nambaran’ingahy Lahiniriko Jean, tamin’ny 17 desambra 2005 raha nanao hetsika teo amin’ny kianjan’ny 13 mai ny mpanohitra, ary nisy mpanao politika voadaroka sy voasambotra. Ingahy filohan’ny Antenimieram-pirenena kosa, tao an-dapa dia nilaza tamin’izay fa « tsy eny an-kianja no hanaovana ady hevitra fa ato anaty lapa no kianjan’ny demokrasia ». « Ny mifanohitra amin’izay anefa no ataon’ireto namanay ireto amin’izao », hoy ity mpanao politika nanambara ny alahelony ity.

Omaly hariva, dia nivory tetsy amin’ny hotely Soimanga Manakambahiny ireto mpanohitra ireto, ary saika tsy tazana tao ireto mpanohitra mihevitra fa tafiditry ny mpitady seza ny fitakiana izay atao. Raikitra sahady ny ady an-trano nefa ny fitakiana mbola tsy nisy nivaly. Tsapa izao, fa misy andian’olona mijapy TGV ao, ary manosika ity farany hivoaka ny làlam-by tokony hizorany.

Miandry ny tohiny isika, na ho tody amin’ny gara hitodiany ny lamasinina, na hivarina any anaty hantsana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS