Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 16 avril 2024
Antananarivo | 10h37
 

Malagasy

Taratasin’ny mpamaky

Raharaha 1947 : Aoka hazava !

mardi 25 mars 2008

« Fanazavana fanampiny kely no arosoko : ny raibeko dia nobedain’ny sônegaly tao an-tranony tamin’ny 1947, saika tsy ren’ny renibeko akory ny fisamborana azy satria avy hatrany dia notampenanana ny vavany, raha tsy nodakany mafy ny varavarana iray hikaratoka. Ny tongony atsofoky ny mpisambotra azy ao anaty fiara sisa tazan-drenibeko, dia tsy nihaona intsony izy mivady raha tsy roa taona taorian’izay. Nampidirina am-ponja tao Antanimora izy, tsy nisy fiampangana na fitsarana raha tsy diso aho. Nanateran’ny fianakaviana teto Antananarivo sakafo isan’andro izy tao, saingy tsy nahazo nifanatri-tava taminy ny mpanati-kanina. Madio tsara ny lovia miverina isan’andro... Fa rehefa nampanantsoina ny fianakaviana haka azy fa « tsy salama loatra » izy, dia taolana mifono hoditra sisa no noraisina (état de dénutrition terminale), nentina nody tany Antsirabe hiala aina tany izy... ary nalevina ny 27 martsa 1949, tononandro nahaterahako... Ny raiko koa dia nitantara izao zavatra izao : nisy commissaire de police frantsay izay tafaraka taminy tany Diégo-Suarez tany amin’ny taona 1942-43 tany ho any. Narary mafy saika maty ny zanak’io vazaha io, tsy hitan’ny dokotera vazaha ny aretiny. Ny raiko no nitsabo ilay zaza (maladie tropicale no nahazo azy ka fantany tsara) ary sitrany. Io vazaha io no nampandre azy fa ao anatin’ny lisitry ny olona hovonoina izy ka noferany tsy handry ao an-trano. Nanavotra ny ain-janany ka mba navotany koa ny dadanay...

Ela izay nampanjakan’ny vazaha ny laingany izay ! Tsy maintsy hamarinina ny tantara...

Mbola mamerina ny fankaherezana hatrany amin’ny asa ataonao, fantatra fa tsy mora izany ! Ary mirary fahasalamana mandrakariva ho anao sy ny ankohonanao.

Dia misaotra amin’ny fiaraha-miasa ».

Fara Mananjandry

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS